Politique

Hajo Andrianainarivelo “Sarintsarina demokrasia no misy eto”


  • Alakamisy 23 Novambra 2017

Nihaona tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny foibeny teny Ankerana omaly ny antoko Malagasy Miara-Mandroso (MMM) tarihan’i Hajo Andrianainarivelo.

  Mazava ny hafatra : “ampiharo ny lalàna, avoahy ny datim-pifidianana”. Omeo toerana ihany koa ny mpanohitra hahafahany maneho hevitra, avelao ny mpanao politika hamory vahoaka, hoy ny MMM. Hentitra ny fanambaran’izy ireo fa tsy voasolo tena ao amin’ny antenimieram-pirenena ny mpanohitra, tsy misy adihevitra demokratika. Misy fotoana depiote 7 amin’ireo 151 fotsiny no manapa-kevitra, ka izany ve dia mba demokratika, hoy hatrany ny MMM. Raha tena sahy hampihatra ny demokrasia eto ny mpitondra dia tokony homena ny anjara toerany eny amin’ny antenimieram-pirenena ny mpanohitra, hoy i Hajo Andrianainarivelo. Ankoatra izay, dia nanoratra tany amin’ny Masoivoho Libyana ny Antoko Malagasy Miara-Miainga, maneho ny alahelony eo anatrehan’ny trangan-javatra mahakasika ny fivarotan’olona tany Libya, ary mamporisika ny tompon’andraikitra any an-toerana mba hanafaingana ny famotorana izay efa nampanatenainy hotanterahana. Misintona ny sain’ny malagasy rehetra ihany koa eo anoloan’ny raharaha Antsakabary, izay somary adino tato ho ato kanefa dia mitovy tanteraka amin’izao zavatra miseho any Libya izao, satria dia nisy vono olona maro izay tsy tokony ho vitavita mora. Ny Malagasy Miara- Miainga dia manainga ny tompon’andraikitra voakasik’io raharaha io mba hikaroka ny tena marina sy ampihatra ny lalàna ho an’ny rehetra tsy misy an-kanavaka.Satria toe-javatra mamoa fady ireo zavatra roa ireo ka tsy tokony ho hita intsony amin’izao taon-jato iainantsika izao fa fanitsakitsahana tanteraka ny zon’olombelona. Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena kosa, dia miarahaba ny filohan’I Zimbabwe teo aloha (Robert Mugabé), ny parlemantera, ny miaramila ary ny vahoaka Zimbaboeana, nahay nifidy ny vahaolana milamina sy feno fahendrena ka nahafahany nandamina ny raharaha tao anaty fandriampahalemana tsy nisy korontana mba ho fiarovana ny tombontsoa ambony ny firenena Zimbaboeana. Manainga ny mpitondra Malagasy isan’ambaratongany ihany koa mba hahay haka lesona ka hitsinjo ny vahoaka izay misedra fahasahiranana lalina.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT