Misoko mangina ny kandidŕ Hajo Andrianainarivelo ao Vakinankaratra amin’ny fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana, tahaka ny ataon’ny filohan’ny tetezamita ihany koa izay mitety faritra manerana ny Nosy.
Tato ho ato dia saika tonga mitokana zava-bita sy manomboka fotodrafitrasa hatrany ny tenany. Taorian’ny fitokanana ny lapan’ny tanànan’Alakamisy-Ambano, Distrikan’Antsirabe faharoa sy ny Lapan’ny tanànan’i Betafo dia tonga tao Vakinankaratra indray izy ny alakamisy 11 jolay, nanomboka tetikasa mitentina 500 tapitrisa Ariary ka tafiditra amin’izany ny hanamboarana indray ny lalan’Ambano sy ny fanorenana tranom-bokatra goavana ho an’ny Faritra Vakinankaratra. Ankoatra izay dia nisy koa ny fitokanana ny lapan’ny tanànan’Alakamisy-Anativato, Distrikan’i Betafo. Raha ny resaka nifanaovana tamina tompon’andraikitra iray tao amin’ny Kaominina Alakamisy Anativato moa dia hoe tsy azo ankalazaina be, hono, ny fitokanana fa manahirana amin’i “Zandry kely”, ka tsy nahazo fanasana intsony ny mpanao gazety ao Vakinankaratra taorian’izay. Mahagaga ihany !
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.