Politique

Hajo Andrianainarivelo Mihizingizina amin’ny fifidianana filoham-pirenena


  • Alarobia 10 Jolay 2013

Mizara roa ny mpisehatra politika amin’izao.

An-daniny ireo manohana ny fifidianana, an-kilany ireo mihevitra fa fampihavanana sy fametrahana rafitra mafy orina aloha no maika. Mbola mizarazara koa anefa ny hevitr’ireo mpomba ny fifidianana. I Andry Rajoelina sy ny mpomba azy dia manitrikitrika fa tsy mety ny manatanteraka fifidianana filoham-pirenena ka mandroso soso-kevitra hanatanteraka fifidianana solombavambahoaka. Ry profesora Zafy Albert indray dia ny fifidianana lalàmpanorenana no asisiny mafy. Ho an’ny kandida filoham-pirenena Hajo Andrianainarivelo dia fifidianana filoham-pirenena ihany no ady eo.

“Amin’izao fotoana izao dia olona hisolotena ny vahoaka Malagasy no maika, dia Raiaman-dreny eken’ny eto an-toerana sy ny any ivelany ihany koa. Fifidianana filoham-pirenena noho izany no tokony hatao mialoha, satria tsy mahatsapa ho manana tompon’andraikitra filoham-pirenena intsony ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Mampitarozaka ny fahasahiranan’ny vahoaka fotsiny ny ankoatra izay, nefa izao iarahantsika mahita izao fa betsaka ny fahasahiranan’ny vahoaka”, hoy izy.
 

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT