Politique

Hajo Andrianainarivelo Miandry izay hambaran’ny HCC


  • Alatsinainy 26 Desambra 2016

Tsy manana eritreritra hiara-hitantana amin'ny fitondrana ankehitriny ny antoko Malagasy Miara-Miainga raha ny nambaran'ny filoha nasionaliny, manoloana ny filazana fa fitadiavan-tseza no ataon'ny mpanohitra eto Madagasikara


. Nambaran’i Hajo Andrianainarivelo fa “tsy vonona hiara-hitantana amin'ny mpitondra ankehitriny izay tsy manaja lalàna” izy ireo. Takiany kosa ny fametrahana ny mpanohitra amin'ny toerana ametrahan'ny lalàmpanorenana azy. Taorian'ny fanambarana ofisialy nataon'ny antoko fa hijoro ho mpanohitra sy ireo dingana rehetra narahina araka ny lalàna, dia ny famoahan'ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny “Contrôle de constitutionalité” no andrasan'ny Malagasy Miara-Miainga. Ankoatra ny fanolorana soso-kevitra vaovao hitondra amin'ny fampandrosoana, ny haneho ireo tsy mety sy ireo tsy fanarahan-dalàna rehetra misy eto amin'ny firenena no anjara andraikitry ny mpanohitra. Eo ihany koa ny fanaraha-maso ny fampiasana sy ny famatsiam-bola azo. Tsy tokony ho sakantsakanana ny fijoroan'ny mpanohitra hoy ny antoko Malagasy Miara-Miainga hitarafana ireo maro an'isa eny anivon'ny Antenimieram-pirenena mba hisian’ny adihevitra demokratika marina sy ahafahan’ny olom-pirenena manana fijery vaovao amin’ny raharaham-pirenena. Anisan’ny singa iray ao anatin’ny firenena demokratika iray ihany koa ny fijoroan’ny antoko mpanohitra ara-dalàna.

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT