Politique

Hajo Andrianainarivelo Maneno sahona avokoa izay alehany


  • Talata 19 Febroary 2013

Mirongatra indray ankehitriny ny fitakiana fanesorana amin’ny toerany ireo Lehiben’ny Faritra, napetraky ny FAT hatramin’ny 2009.

 Henjana ny fitakiana tao Amoron’i Mania, saingy lefilefy ho azy teo izany rehefa nandeha ny fotoana. Voakasik’izany koa ny tany DIANA. Navaivay koa ny an’i Bongolava. Vao ny sabotsy teo dia imasom-bahoaka ny fanebahana miharo fitakiana fanesorana amin’ny toerany ny Lehiben’ny Faritra Melaky, Tatahafa Lahimandakotsifolaky, ary ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambonivohitr’i Maintirano, Pikulas Andreanos, mihitsy no mitaky izany ampahibemaso teo anatrehan’ny Praiminisitra lefitra Hajo Andrianainarivelo raha tonga tany nampahafantatra ny fananganana ny SRAT na Schéma Régional de l’Aménagement du Territoire, izany hoe ny drafi-panajariana ho an’ny Faritr’i Melaky ny tenany.

Tratry ny angaredona mihitsy ingahy Lehiben’ny Faritra Melaky tamin’io, saingy mody fanina ny Praiminisitra lefitra, izay izy no anisan’ny nametraka azy io tao tamin’ny 2009, na dia olon’i Voninahitsy Jean Eugène aza i Tatahafa Lahimandakotsifolaky. Mbola izay fitakiana fanesorana amin’ny toerany ny lehiben’ny Faritra izay koa no niseho tany Tolagnaro omaly nandritra ny lanonana fitokanana ireo trano lehibe roa, naorina saika hatao Magro saingy niato an-tenantenany noho ny raharaha 2009, dia novitain’ny FAT ary nomena ny zandary rehefa nandaniana 280 tapitrisa Ariary. Tonga tao amin’ilay toerana nanaovana ny lanonana mantsy ireo mpikambana maro be avy ao amin’ny hetsika Fagnomba nitondra sorabaventy mitaky ny hanesorana tamin’ny toerany ny lehiben’ny Faritra Anosy, Randriantefiarison Guillaume Vénance.

Tsy nifandrenesana tao satria nandritra ny lahatenin’ity farany dia siotsioka sy kiakiaka miharo horakoraka no nataon’ireo mpiandany amin’ny hetsika Fagnomba ireo. Ny mpitandro ny filaminana ao anatin’izany hendratrendratra be ihany te hanampatra fahefana saingy tsy sahy. Tsy rototra ary tsy nanisy resaka mazava mahakasika ity fitakiam-bahoaka amin’ny fanesorana ny lehiben’ny Faritra Anosy ity anefa i Hajo Andrianainarivelo. Inona no antony ? Tetsy ankilany, ny filohan’ny delegasiona manokan’ny Kaominina ambonivohitr’i Tolagnaro, Zafinandro Armand, dia mametra-panontaniana hoe maninona no tsy mba tonga any Tolagnaro mihitsy i Andry Rajoelina ? Asaivo tonga izy fa miandry azy ny any an-toerana, hoy ingahy PDS, izay tsy iza fa fianakavian’ny mpitarika ny hetsika Fagnomba ihany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT