Politique

Hajo Andrianainarivelo Manao sarin’ady amin’ny HVM


  • Alakamisy 12 Janoary 2017

Miketrika mafy ny hidirana ao anaty fitondrana amin’ny alalan’ny fakana ny toeran’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimieram-pirenena i Hajo Andrianainarivelo, filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Miara-miainga na ny MMM.

Tsy nampitovy hevitra aminy sy ireo mpiara-dalana aminy tao amin’ny antokony ny fanambarana tamim-pomba ofisialy nataon’i Hajo Andrianainarivelo fa mpanohitra ny fitondrana ny MMM, ka nahatonga ireo olom-boafidy sasany tao anatin’ny antokony nisafidy ny hamadika palitao, ary lasa niara-dalana amin’ny HVM. Tsy nahomby intsony ihany koa ny resaka fanonganana ny fitondrana Rajaonarimampianina tamin’ny alalan’ny hetsika Mitsangana ry Malagasy, ka any amin’ny fitadiavan-tseza indray izao ny laharam-pahamehana ho an’ity mpanao politika efa nirotsaka hofidiana filoham-pirenena ity. Sarotra ho azy ny hiverina amin’ny fanambarana politika efa nataony, kanefa henatra ihany koa ny hivadika vetivety, ka hiaraka amin’ny fitondrana hahafahana mahazo seza. Mandeha anefa ny resaka ankehitriny fa efa miketrika mafy ny hiara-dalana amin’ny HVM i Hajo Andrianainarivelo mba ho fanomanana ny fifidianana amin’ny 2018 fa sarin’ady no ataony sy ny mpitondra ankehitriny. Samy mikotrika ny hanakanana ireo kandida atahorana toa an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny “ni…ni…” izy ireo, ary tombanana hifanohana mandritra ny fifidianana. 

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT