Novorian’ny lehiben’ny Faritra sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy tao amin’ny biraon’ny Faritra ireo Ben’ny tanàna ao Vakinankaratra omaly talata 16 aprily tolakandro.
Fantatra, araka ny loharanom-baovaonay, fa fampahafantarana ireo mpikambana ao amin’ny komity ho fampandaniana ny kandidà Hajo Andrianainarivelo amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ny 24 jolay 2013 no tanjon’ny fihaonana. Araka ny tatitra dia ny vadin’ny lehiben’ny Faritra no filohan’ilay komity ao Vakinankaratra. Nolazaina ireo Ben’ny tanàna koa fa efa mandeha ny fananganana ireo rafitra manerana ny Distrika ka ny takiana tamin’izy ireo dia ny fanetsehana sy fananganana ny rafitra sy komity mpanohana any amin’ireo Kaominina iadidiany avy, midina hatrany amin’ny Fokontany.
Araka ny loharanom-baovao hatrany dia tsy terena (hono) ireo Ben’ny tanàna. Toa terena an- anefa izy ireo hanohana an’i Hajo Andrianainarivelo, izay toa kandidàm-panjakana mihitsy ny iheverana azy ankehitriny. Voalaza fa tsy misy ny atahorana eo amin’izay fandaniana samihafa fa misy ary ampy ny vola ka izay tsy mazoto dia afaka miala. Taorian’ity fihaonana ity moa dia voalaza fa ny lehiben’ny Distrika manerana ny Faritra indray no novorian’ny lehiben’ny Faritra sy ny mpiara-miasa aminy ka inoana fa tsy nifanalavitra tamin’izay resaka politika izay ihany no nibahana tao. Raha ny fandehan’ny toe-draharaha dia miainga sahady ny faneriterena ataon’ireo izay mba manampahefana amin’izao fotoana. Tsy mifanalavitra amin’ity tany Vakinankaratra ity mantsy ny zava-mitranga any Boeny. Ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo, Saina Michel, aza moa tsy tahotra tsy henatra miseho vatana nanotrona an’i Hajo Andrianainarivelo tamin’ity farany nanatitra ny dosie filatsahan-kofidiany teny amin’ny CES Ambohidahy ny alatsinainy 08 aprily. Dia lasa ny saina aman’eritreritra manoloana izany hoe amin’ny fomba ahoana no hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara amin’ity fifidianana ho avy ity ?
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.