Politique

Hajo Andrianainarivelo Hitarika vahoaka hidina an-dalambe ?


  • Talata 14 Febroary 2017

Mangataka ny fanjakana HVM hanome daty mazava amin’ny hamaliana ny fangatahan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga haka ny toeran’ny mpanohitra eny anivon’ny antenimiera i Hajo Andrianainarivelo, mpitarika ny antoko, omaly.

 Rehefa tsy vonona hanatanteraka izany ny mpitondra dia tokony hilaza mazava fa tsy vonona amin’ny hisian’ny fanoherana eto Madagasikara, hoy izy. Rehefa tsy afaka maneho hevitra amin’ny fomba ara-dalàna dia azo atao ny maneho hevitra amin’ny sehatra hafa manomboka izao, ka aoka tsy hifampiteniteny, hoy i Hajo Andrianainarivelo. Somary nanipy teny ho an’ny mpitandro ny filaminana ihany koa izy amin’ny tsy maha ara-dalàna ny fanehoan-kevitra an-dalambe, izay matetika hisian’ny fampiasan-kery. Ny tsy fanekena ny fanoherana sy ny tsy fanajana ny lalàmpanorenana dia samy tsy ara-dalàna, ka tokony hosamborina ihany koa ireo mandika izany. Ny fanjakana HVM no tiany horesahina eto. Raha halalinina ny fanehoan-kevitr’ity mpanao politika efa nirotsaka hofidiana filoham-pirenena tamin’ny 2013 ity, dia hiroso amin’ny dingana mafimafy kokoa izy ireo sy ireo mpiara-dalana aminy ato ho ato, toy ny fidinana an-dalambe. Rehefa tsy nahomby ny fifampiresahana tsotra tamin’ny mpitondra mba hanomezana sehatra azy ireo, dia any amin’ny fitarihana olona hidina an-dalambe indray no dingana manaraka. Mpanao politika efa fanta-daza teto amin’ny firenena i Hajo Andrianainarivelo. Anisan’ny hahatadidiavan’ny maro azy ny niarahany nanongam-panjakana tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny taona 2009. Nalaza ratsy ny tenany fony nitana ny toeran’ny praiminisitra lefitra misahana ny fanajariana ny tany noho ny afera maro sy ny fanagonan-karena, ary voalaza fa tamin’ny alalan’izany no nananany volabe nentina nanao propagandy tamin’ireny. Mbola hita tamin’ny fiarahana tamin’ireo hetsika isan-karazany toy ny Mitsangana ry Malagasy, izay nilaza tamin’ny fotoan’androny fa hanongana tsy misy hatak’andro ny fitondrana Rajaonarimampianina. Tsy hay intsony na fitiavan-tanindrazana sy fitsinjovana ny vahoaka Malagasy no ao ambadik’izao fihetsiny izao na fitia te hahazo fahefana sy seza.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT