Roso ny dia ka tsa mipody koa. Araka ny efa nambara teto omaly dia niroso tamin’ny fanambarany ny filatsahan-kofidiany filoham-pirenena ny praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo.
Mirotsaka amin’ny anaran’ny antoko Malagasy Miara-Miainga ny tenany. Tao Ankadinandriana izay tanindrazany sady nahavoafidy ben’ny tanàna in-telo miantoana azy no nisafidiany hanaovana ity fanambarana ity. Toa fomba mahazatra ny zanak’Avaradrano ny toy izany satria tao Imerinkasinina koa raha tsiahivina no nanao ny fanambarana maha kandida azy ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Efa ela no nanomanako izao fanapahan-kevitra izao noho ny fahatsapako fa manana adidy amin’ny firenena ny tenako, i Hajo Andrianainarivelo rehefa nanontaniana raha nahazo ny tsodranon’ny filohan’ny Fat ny tenany. Araka ny tsiliantsofina avy ao Ambohitsorohitra moa dia nangataka fihaonana tamin’ny filohan’ny Fat ny tenany tamin’ny talata hariva haka ny tsodranony saingy tsy voaray mihitsy.
Tsy namaly mivantana kosa anefa izy raha nanontaniana sao misy ny disadisa eo aminy sy ny filohan’ny Fat. Nambarany fotsiny fa tsy nivaona tamin’ny tolona natao tamin’ny 2009 izy ary nanosika azy ny fahatsapany fa miandrandra fampandrosoana tena izy ny vahoaka Malagasy. Milaza ny mbola vonona hiatrika ny kongresin’ny TGV amin’ny faran’ny herinandro izao koa ny tenany. Hatramin’ny omaly nanaovany ilay fanambarana anefa dia tsy mbola naharay ny fanasana momba izany izy, araka ny nambarany. “Fotoana anokafan’i Madagasikara pejy vaovao izao amin’ny alalan’ny fametrahana fitondram-panjakana mifototra amin’ny fitsinjaram-pahefana manome vahana ny kaominina sy ny faritra. ”Nampiany fa nandritra ny fotoana naha mpikambana tao amin’ny governemanta azy dia nampitomboina hatrany ny famatsiana ho an’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-paritra. Araka izany dia vita hatreo ny fiarahan’i Andry Rajoelina sy Hajo Andrianainarivelo satria samy mandeha samy mitady amin’izay izao. Ho sahy hanatsatso an’ity praiminisitra lefiny ity koa ve ny filohan’ny Fat ka hilaza fa tsy tia tanindrazana izy ?
Mpandoto rano
Misimisy ihany ireo mpanao politika nanotrona ilay fanambarana omaly, indrindra fa ireo mpomba an-dRajoelina no nahafantarana azy. Sahy nilaza mihitsy ny kandida fa betsaka amin’ny mpanao politika no miaraka aminy. Lohalaharana amin’ireny ny mpikambana Avi nahitana an-dry Ramaroson Laurent, Raharison Liva ary Rabenirina Jean Jacques, minisitra Fat teo aloha … Hita teny an-toerana koa ny Tgv sasantsasany toy ny minisitry ny tanora teo aloha Mc Kreesan izay nisalotra ny akanjon’ny Malagasy Miara-Miainga mihitsy niaraka tamin’ny filohan’ny vondrona parlemantera Tgv ao amin’ny Kongresy. Ao koa ireo azo sokajiana fa mpandoto rano noho izy ireo mpamadika palitao toa an-dry Kaleta sy Jao Jean ary i Faneva. Ity farany dia mpikambana mafana fo tao amin’ny ankolafy, avy eo nanaraka ny Gmmr ary izao miaraka amin’i Hajo izao indray. Misahana ny faritra Vatovavy Fitovinany ny tenany raha ny nambarany. Omaly koa vao nipoitra indray i Fienena Richard, namana akaiky an’i Hajo Andrianainarivelo izay azo antoka ny maha ao anaty ekipa mpanohana azy.
Légende
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.