“Tsy ny fikitihana ireo lehiben’ny faritra akory no vahaolana eto amin’ny firenena fa ny fifidianana ihany, ary atao manaraka ny lalŕna sy ny mangarahara izany dia milamina isika”, hoy Atoa Hajo Andrianainarivelo, Praiminisitra lefitra misahana ny fanajariana ny tany sy ny fampanadrosoana sady kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, raha nanontaniana ny heviny mikasika ny resabe amin’ny fanoloana ireo lehiben’ny faritra izay voalaza fa mpiara-dia aminy.
Raha ny safidin’ny olona, hoy izy no ahitany fahasahiranana dia tsy izay akory ilay firenena tiana hatsangana teto fa tokony halalaka amin’izany safidiny izany ny tsirairay. Raha tiana hilamina ny firenena, hoy i Hajo Andrianainarivelo dia atao ny fifidianana ary apetraka ny fenitra. N’inoa n’inona holazaina hoy izy dia ny fifidianana ihany no hivoahana amin’izao krizy izao fa ny ankoatra izay dia tsy vahaolana. Mikasika ny dian’ny GIC-M teto Madagasikara indray dia tsotra ihany, hoy ny kandida Hajo Andrianainarivelo : soloina ireo tsy nanara-dalàna tamin’ny filantsaha-ko fidiana dia aroso ny fifidianana dia izay ihany. Nambarany moa fa raha toa ka esorin’ny fanjakana aza ireo lehiben’ny Faritra niara-niasa taminy dia mbola hitohy ihany ny fizarana titra tany eto satria ny asam-panjakana dia mitohy hatrany.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.