Hajo Andrianainarivelo

> «Mividy olona ny fanjakana»


  • Alatsinainy 23 Septambra 2013

Iray andro sisa dia manomboka ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena, izay maharitra iray volana. Milaza ho tsy afa-po amin’ny fikarakarana sahanin’ny CENI-T ny kandidan’ny Malagasy Miara-Miainga na MMM.

“Tokony hanamafy ny fanentanana ny olom-pirenena ny CENI-T satria raha ny zava-misy hitanay nandritra ireo dia tany an-tany lavitra dia tsy ahitana afisy manambara ny fisian’ny fifidianana amin’ny 25 oktobra izao. Tokony hanao tatitra momba ny hetsika fanomezana kara-panondro koa ny Ministeran’ny Atitany”, hoy i Hajo Andrianainarivelo. Manameloka ny fihetsiky ny fitondrana mandrahona ireo Ben’ny tanàna miaraka aminy koa ny tenany.

 

Ho mpanohitra

Nolazainy fa ny fomba ratsy efa fanao hatrizay sy efa nahazo azy fony izy Ben’ny tanànan’Ankadinandriana no mbola ampiharin’ny FAT. Ankoatra ny fandrahonana dia lazainy fa «misy koa ny fividianana olona ataon’ny fanjakana. Kandida solombavambahoakan’ny MMM maromaro any amin’ny faritra Matsiatra Ambony no lasa mirotsaka amin’ny anaran’ny antoko hafa». Raha lany soa aman-tsara moa ny tenany dia vonona ny tsy ho filohan’ny Filankevitra ambonin’ny fitsarana mba tsy hitsabaka amin’ny asan’ny mpitsara. Anjaran’ny Parlemanta kosa no manova ny lalàmpanorenana raha hitany fa misy tokony hahitsy. Raha tsy lany kosa dia ho lasa mpanohitra i Hajo Andrianainarivelo fa tsy hiara-mitantana amin’izay filoha vaovao eo.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT