Vonona ny hampandroso ary hitondra ny kaominina Ambohimangakely ho any amin’ny tena fampandrosoana,
ny kandidà Hajasoa Razanakoto Pascal na Haja Boum avy amin’ny antoko TIM. Nambarany fa manana vina entina hampandrosoana ny kaominina izy raha ny programan’asa nambarany, saingy, tsy fotoan’ny fampielezan-kevitra izao, hoy izy, fa efa vonona ny hampandroso tanteraka ny kaominina i Haja Boum miaraka amin’ireo mpanolotsainy, raha ny fanazavany. Voalazany fa manana paikady entina hitondrana ny kaominina ho fitaratra amin’ny fampandrosoana amin’ny lafiny rehetra izy. Araka ny fanazavany, zanak’Ambohimangakely izy ary tsy zoviana amin’ny mponina amin’ny asa sosialy izay efa nataony. Ezahina ny hampidirana jiro amin’ny fokontany mandrafitra ny kaominina, mba tsy hisian’ny olana tamin’ny bakalorea teo, izay niainan’ireo mpiadina tamin’ny labozia. Efa ao anaty programany ny famatsiana jiro. Jerena koa ny lafiny fitaterana izay mampimenomenona ny mponina. Ambohiangakely mandroso no filamatra, hoy izy ary nahazo tso-drano tamin’Atoa Marc Ravalomanana filoha mpanorina ny antoko izy ary izy ihany no kandidà TIM tokana natolotry ny birao foibe sy ny KOM-TIM, raha ny fanazavany hatrany.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.