Samy manana ny andraikiny ny olona tsirairay avy manodidina ny filohan’ny tetezamita, hoy ny Sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny tetezamita, Haja Resampa raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina omaly. Ao ireo natokana hitana andraikitra hitantan-draharaha ambonin’ny firenena, hoy izy, ka ireny nisafidianana teny Andranomena natao kandidà ireny fa raha izaho manokana dia ny ao aorian’ny filohan’ny tetezamita hatrany no andraikitro. Tsy marina, hoy izy, ny filazana fa misy olona tsy nitolona akory no nomena andraikitra mpanapakevitra ao amin’ny tetezamita. Izahay aloha, hoy izy, dia anisan’ny teny an-kianjan’ny 13 mey nivantana niaraka tamin-dRajoelina tamin’ny fotoanandrony. Nisy koa anefa no nitana andraikitra hafa tany an-toeran-kafa ka samy nandray anjara avokoa izany rehetra izany na tsy tazana nivantana aza. Raha ny amin’Atoa Egard Razafindravahy izay hitoeran’ny fanakianana mafy ankehitriny, hoy izy, dia izaho Haja Resampa dia anisan’ny mahalala ny andraikitra manokana nataony tamin’ireny tolona natao ireny.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.