Miala any ny fanenjehana. Raha mbola eo an-dalam-pandinihana eny anivon’ny Antenimieram-pirenena sy Antenimierandoholona ny fananganana Fitsarana manokana
hitsara ireo fandikan-dalàna ara-ketra, ara-bola ary ara-toekarena, izay niantsoan’ny fanjakana fivoriana tsy ara-potoana, dia efa mandeha sahady ny fitsongolohana ireo olona tsy miara-dia amin’ny fitondrana. Natao hitsara ny raharaha nitranga teo anelanelan’ny taona 2002 hatramin’ny tetezamita io Fitsarana manokana io. Raha ny fahitana azy dia natao hikendrena sy hanakendana ireo mety ho adversera atahoran’i Hery Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo izy ity, ka ho lasibatra amin’izany ry Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana sy ny manodidina azy ireo. Raha ny taratasy mandehandeha nanomboka tamin’ny 24 aprily 2016 teo izao, dia arahin’ny fanjakana maso akaiky ny Sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny tetezamita teo aloha, Haja Resampa. Misy ny fanangonana ny mombamomba azy, ny toerana misy azy, ny firenena ivezivezeny tamin’ity 2016 ity. Hatramin’ny vady andefimandriny aza arahi-maso koa ao anatin’izany. Mety hiafara amin’ny sarika am-pandriana raha izao fizotrany izao.
Kandida praiminisitra
Mangingina, tsy dia misehoseho an-gazety na amin’ny haino aman-jery toy ireo namany eo anivon’ny MAPAR i Haja Resampa taorian’ny 2014. Kandida naroson’ny vondrona MAPAR ho praiminisitra izy, tamin’ny governemanta voalohan’ny Repoblika fahefatra, saingy niantefa tany amin’i Kolo Roger ny safidin’i Hery Rajaonarimampianina tamin’io. Ary dia nanomboka teo koa ny fifandirana teo amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny fianakaviana politika antoky ny fiakarany teo amin’ny fitondrana. Nampihatra ny politikan’ny fampisaratsarahana ny fitondrana taorian’io, dia izao miitatra amin’ny fanenjehana sy fandetehana ireo izay tsy miara-dia aminy izao ny raharaha. Lasibatra izao i Haja Resampa. Fiandohana ihany anefa io raha ny fahitana azy, fa mbola ho lava ny lisitra hanokafan’ity Fitsarana manokana ity fanadihadiana. Ary izay no nahatonga ny fiarahamonim-pirenena misintona lakolosy, mba tsy hisian’ny mizana tsindrian’ila rehefa am-perinasa io Fitsarana manokana io hisorohana ny savorovoro tsy hitondra fitoniana eto amin’ny firenena.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.