Politique

“Haja boum” Vonona hampandroso an’Ambohimangakely


  • Zoma 13 Septambra 2019

Nitohy tamin’ny alalan’ny fanaovana didimpoitra maimaimpoana, ny fanaovana asa sosialy efa fanaon’ny antoko Tiako I Madagasikara, eny Ambohimangakely hatramin’izay.

Nanamarika rahateo Razanakoto Hajasoa Pascal na “Haja boum”, ity farany izay kandidà ho ben’ny tanàna eny Ambohimangakely fa tsy hijanona hatreo akory ny asa fanasoavana sy fanampiana ny mponina eny an-toerana fa hitohy hatrany ho fanamaivanana ny fahantrana sy ny fahasahiranana baben’ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Ampahany amin’ny fanohizana ny asa ny fanorenana sy fanavaozana lava-drano ary ny fampidirana herinaratra eny ambanivohitra amin’ny alalan’ny fampiasana ny herin’ny masoandro. Efa matipaika rahateo ny drafitrasam-pampandrosoana ho an’ny kaominina Ambohimangakely rehefa mby eo amin’ny toeran’ny Ben’ny tanàna ny tenany. Efa vonona tanteraka ho amin’ny fiatrehana ny fifidianana ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina hotanterahana ny alarobia 27 novambra ho avy izao, araka izany, ny antoko Tim eny Ambohimangakely.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT