Politique

Haja Andrianavony Porofoiny amin’ny asa ny fahavononany hitantana an’i Moramanga


  • Alatsinainy 04 Novambra 2019

Andrianavony Haja no natolotry ny Tiako i Madagasikara (TIM) ho Ben’ny Tanàna ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Moramanga, Alaotra Mangoro.

 Tsy niandriandry izy sy ny mpiaradia aminy fa tonga dia naneho fahavononana amin’ny asa, ka noporofoin’izy ireo tamin’ny alalan’ny asa mivaingana izay misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka andavan’andro. Asa fanadiovana ny manodidina ny Lapan’ny Tanàna, izay tena efa tsy azo nolalovana intsony fa feno fako namofona sy rano maloto. Teo ihany koa ny fanamboarana ny lalana manoloana ny EPP sy tatatra fandehanan’ny mpianatra sy vahoaka, izay efa tsy nisy nikarakara an-taonany maro, ary voatery tsy maintsy nampiasana fitaovana vaventy. Faly noho izany ny vahoakan’ny Fokontany Tsarafasina noho ny fahavitan’ity ampahan-dalana ity. Tao Ambohimadera koa dia nisy ny fanotofana ireo lavaka lehibe izay iandronan’ny rano sy fotaka ka matetika no mitera-doza eo amin’ny mpampiasa azy, toy ny fivadihan’ny posy mpitondra olona sy fianjeran’ireo mpandeha moto sy bisikilety, noho ny faharatsiany. Ny herimpon’ireo mpikambana sy ny tsara sitrapo noho ny fitiavana manokana an’i Haja Andrianavony no nahavitana ireo asa lehibe ireo.

Nangonin’i Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT