Fiaramanidina manokana na jet Privé an’ny orinasa Henri Fraise Fils & Cie no nofain’ny fanjakana Malagasy ka naka ny filoha Rajaonarimampianina tany Addis Abeba-Etiopia omaly antoandro, naka solika tao Dar es Salaam Tanzania avy eo nitodi-doha avy hatrany aty Antananarivo.
Re siosion-dresaka omaly hariva fa maika hanendry ireo loholona 21 ny filoha ka mety ho izay no nahatonga izao fanofana fiaramanidina manokana izao. Na izany aza anefa dia tahaka ny mandiso ihany ny fanambarana nataony taloha ity tranga ity satria izy tenany no niteny fa « ireo zotram-piaramanidina tsotra no handehanany mivoaka an’i Madagasikara rehefa misy ny iraka ataony sy ny delegasionina tarihany fa tsy hanofa fiaramanidina manokana izy… ». Lafo lavitra noho ny mandeha zotram-piaramanidina mahazatra anefa ny vola navoaka ka nanofana fiaramanidina manokana
Nifarana omaly moa ny fihaonana an-tampony faha-26-n’ny vondrona Afrikanina, ka nifantohan’ny fivoriana ny fikatsaham-bahaolana amin’ny fametrahana ny fitoniana ara-politika aty Afrika, mbola tena misavorovoro mantsy ny any Burundi, Soudan atsimo ary Tchad. Atoa Idriss Deby (Tchad) indray no handimby an’i Robert Mugabe (Zimbaboe) ka hitarika ny vondrona afrikanina mandritra ny herintaona. Nodinihana tany Addis Abeba ihany koa ny fanomezana toerana bebe kokoa ny vehivavy Afrikanina amin’ny fampandrosoana ny kaontinanta. Ho an’i Madagasikara manokana dia niezaka nanazava ny dingana vitantsika tamin’ny mpizaika ny filoha ka nampatsiahy fa nanao ezaka amin’ny fametrahana ny filaminana i Madagasikara, tohizana ny fampihavanam-pirenena ary eo am-pamolavolana azy ny lalàna mifandraika amin’izany, ezaka amin’ny fametrahana ny fitoniana ara-politika ny nanaovana ilay « mémorandum de résponsabilité » izay nambaran’ny filoha fa neken’ny maro an’isa teny anivon’ny antenimieram-pirenena na dia manjavozavo be ihany aza ny tena marina amin’izy io. Nanasonia ilay sata momba ny demokrasia sy ny fifidianana ary ny fitantanana aty Afrika moa ny filoha Malagasy ary nihaona tamina filoha afrikanina maro sy ny sekretera jeneralin’ny ONU nandritra izao diany tany Addis Abeba izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.