Politique

Haino amanjerim-panjakana Tsy mahita TVM ny ao Ambatofinandrahana, tsy maheno RNM ny ao Manandriana


  • Talata 22 Novambra 2011

Tsy mba anisan’ireo vahoaka Malagasy naharaka ny fampitana mivantana ny firafitry ny Governemanta vaovao omaly alatsinainy 21 novambra ny mponina any Manandriana sy Ambatofinandrahana, Faritra Amoron’i Mania.

 Velon-taraina amin’izao fotoana izao ny vahoaka ao amin’ireo Distrika roa ireo fa tsy mandre sy mahita intsony ny vaovao sy ny zava-misy ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Tato anatin’ny herinandro maromaro izao no tsy maharaka ireo fandaharana sy vaovao misy eto amin’ny firenena ao amin’ny fahitalavitra TVM ny mponina ao Ambatofinandrahana ao vokatry ny fahasimban’ny «émetteur» any an-toerana. Tsy mbola misy fanamboarana io fitaovana io ka miaina amin’ny fandefasana kapila mangirana fihainoana hirahira sy horonantsary ny vahoaka rehefa mandeha ny herinaratra.

Misy fahasimbany ihany koa ny «table mixeur»-n’ny sampan’ny serasera ao Manandriana ka tsy mandre ny fandaharana sy vaovao ary tantara ao amin’ny onjam-peon’ny Radio Madagasikara intsony tato anatin’ny iray volana izao ny vahoaka. Ny TVM ihany no mandeha ao Manandriana nefa vitsy ny olona manana fahafahana mijery izany ka mahavelon-taraina ireo mponina any ambanivohitra. Ifandrombahana ihany koa anefa ny fijerena azy satria adiny efatra monja ny faharetan’ny herinaratra mandeha any an-toerana ka tsy afa-po ny rehetra. Miteraka tsy fandriampahalemana ihany koa io tsy fahampian’ny firehetan’ny herinaratra io ka mirongatra ny asa ratsy vokatr’izany. Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra voakasika, araka izany, ireo mponina ao amin’ireo Distrika roa ireo mba hijery akaiky izao fahavoazana mianjady amin’ny vahoaka izao satria miaina amin’ny tsaho sy honohono izy ireo.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT