Politique

Haino aman-jery nakaton’ny FAT Hisokatra amin’ny faran’ity febroary ity


  • Zoma 17 Febroary 2012

Niala tamin’ny fahanginany ary niseho sehatra ireo mpandraharaha tompon’ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT, 18 volana lasa izay.

 Nihaona tamin’ny mpampahalala vaovao tetsy amin’ny La Rotonde Besarety ny sasany tamin’izy ireo omaly. Nahazo fampanantenana avy amin’ny manampahefana izahay, araka ny filazan’i Hery Rakotoarijaona (Channel M), fa dia hosokafana hatramin’ny faran’ny volana febroary izao ireo radio sy fahitalavitra nahazo fanazoan-dalana tato anatin’izao tetezamita izao ka efa niroso tamin’ny andrana teknika nefa dia nakatona tampoka indray. Mampahatsiahy izahay, hoy hatrany i Hery Rakotoarijaona fa manana vary mangatsiaka ny mpitondra amin’ny famohana indray ireo haino aman-jery, misy 50 teo, izay namorona asa an-jatony sy namelona fianakaviana maro ihany koa.

Tafiditra anatin’ny fepetra hisian’ny fitoniana, araka tondrozotra rahateo izany, hoy i Amido (Radio Fototra) nanamafy. Ity farany izay nandrahona fa dia hosokafan-dry zareo ny radiony raha dila io fe-potoana io, ka tsy hamerina hanokatra azy ny fanjakana. Hanankarem-baovao, araka izany, ny faran’ity volana febroary ity. Ankilany ny fandaniana ny lalàn’ny famotsoran-keloka sy ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, andaniny ny fisokafan’ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT indray.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT