Politique

Haino aman-jery Mpiasan’ny VIVA tratry ny sazy mihantona iray volana


  • Alarobia 18 Aprily 2012

“Sazy fananarana no omen’ny fitsarana anao, ka noho izany omena sazy am-ponja atao sazy mihantona iray volana ianao”.

 Izay no nambaran’ny mpitsara tao Toamasina mikasika ny raharaha voalaza, fa “fanimbazimbana tamin’ny teny natao, tsy imason’ny olo-maro, ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, Mahavimbina Alain”, ary nitoriana ny mpiasan’ny VIVA Toamasina. Niakatra fitsarana omaly talata io raharaha io. “Citation directe” ny raharaha, izany hoe tonga dia fifanazavana eo anoloan’ny mpitsara no natao.

Raha izay no izy dia tsy voahaja ny paik’ady heloka. Ny lalàna mantsy milaza mazava fa “tsy maintsy misy fiantsoana manokana omeny ilay olona voarohirohy ataon’ny fampanoavana amin’ny fiakarany fitsarana hanao ilay fanazavana tadiavin’ny fitsarana”. Tsy izay anefa no zava-nisy nandritra ity raharaha ity, satria tsy nisy io fiantsoana manokana io fa fahatsapan-tena noho ny resaka henony no nahatonga ilay mpiasa namonjy ny fitsarana, ka taiza no lesoka tamin’ity raharaha ity ? Sa efa natao fanahiniana mba tsy hipoiran’ilay mpiasan’ny VIVA ? Raha nisy ilay fiantsoana dia iza ny vadintany tsy nahavita ny adidy sy ny andraikiny tokony hanao izany ?... Vokany, miady sy misara-bazana ny samy mpanao gazety ao Toamasina, tsy afa-mikofoka mandritra ny dimy taona ilay mpiasan’ny VIVA noho ny sazy mihantona iray volana azony, ka azo ampitahorina sy ampihorohoroina.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT