Politique

Haino aman-jery Misy radio mihantsy ady


  • Alarobia 21 Septambra 2011

Nibahana tamin’ireo kabary nifandimbiasana tao amin’ny Magro Behoririka omaly ny resaka haino aman-jery noho ny fitsarana ny raharaha Radion’ny Gasy sy ny famoahana indray ireo didy fampisamborana ny Filoha Marc Ravalomanana, ka hoe handefasana zandary sy polisy any Afrika Atsimo, hanatanteraka izany.

 Ny Frantsay no ao ambadik’izay rehetra izay, hoy i Camille Mektoub, satria ny zanatany frantsay ihany no manana zandary. Notsiahivin’i Ignace kosa ny nanakatonan’ny FAT ny Radio Fahazavana fa hoe mampirisika ny Malagasy hiady. Nijoro vavolombelona ny tenany, nilaza tao an-kianja fa izy dia nandre feon-dehilahy naneho hevitra mivantana amin’ny alalan’ny antso an-tariby tamina radio tsy miankina iray eto an-drenivohitra, mpomba izao fitondrana izao, nilaza fa efa vonona ny eny amin’ny faritra iva hanao vela-pandrika ny zanak’i Dada rehefa ho avy ny filoha Marc Ravalomanana ary vonona koa amin’ny fisamborana azy. Fihantsiana ady izany ary tsy afaka mandefa an’izany ny haino aman-jery, hoy izy, kanefa toa tsy andraisan’ny mpitondra andraikitra.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT