Niteraka resabe tato anatin’ny andro vitsy izay ny tsy fahazoan’ny praiminisitry ny marimaritra iraisana, Omer Beriziky miteny sy miseho amin’ny haino aman-jerim-pirenena, indrindra tamin’ny nahatongavan’ny delegasiona sinoa avy amin’ny Xinhua News Agency izay nifanindran-dalana tamin’ny namoahan’ny CENIT ny tetiandrom-pifidianana ny alarobia 01 aogositra 2012.
Re anefa izao fa dia nihemotra tamin’ny fanapahan-keviny indray ny FAT ka nanome toromarika vaovao fa azo aseho sy miteny ao amin’ny TVM sy RNM indray i Beriziky. Tetsy andanin’izany, raha ireo minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana no tsy nahazo niseho sy niteny tamin’ireo haino aman-jerim-pirenena ireo dia amin’izao kosa ny asa rehetra amin’ireo ministera dimy iandraiketan’izy ireo dia ny varotra, ny fambolena, ny fiompiana, ny fanapariaham-pahefana ary ny toekarena sy ny indostria mihitsy no tsy azo voizina intsony. Raha tsiahivina anefa dia anisan’ny nodradrain’i Andry Rajoelina fony izy Ben’ny tanàna nitarika vahoaka teny amin’ny Kianjan’ny Demokrasia, nampanantena fa hovahany ahazoan’ny rehetra maneho hevitra an-kalalahana, indrindra fa ny mpanohitra ny RNM sy TVM.
Toa ronono an-tavy ihany anefa izany fa rehefa eo aminy ny fahefana, telo taona monja taty aoriana dia ilay tsy tiany fa nanonganany fanjakana no averiny ary mihoatra aza ankehitriny. Nekeny indray ny sori-dalana, izay mametraka azy amin’ny toeran’ny filohan’ny tetezamita. Io sori-dalana io anefa dia milaza mazava ao amin’ny andininy faha-17, fa iantohana ny fahalalahana maneho hevitra, ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety … nefa ny mifanohitra amin’izany no miseho ankehitriny, fa dia tadiavin’ny FAT fehezina ho azy irery ny RNM sy TVM.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.