Politique

Haify Mampihavana Maro no efa nahita asa avy aminy


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2017

Nifarana omaly teny amin’ny kianjan’Andohalo, rehefa naharitra roa andro ilay hetsika “Haify Mampihavana”

 

andiany fahefatra nokarakarain’ny “Women Tourism Association for Madagascar” entina hanandratana ny sakafo vita Malagasy. Tsy mitsaha-mivoatra ity hetsika ity raha ny fahitana azy. Vehivavy marobe mantsy no efa nahita asa tamin’ny fikarakarana sy ny fandrosoana ireo karazan-tsakafo vita Malagasy ho an’ireo teratany vahiny mandalo eto amintsika, raha araka ny fanazavan-dRamatoa Andreas Monique, filohan’ny fikambanana. Anisan’ireny ireo vehivavy any  Marodoka sy Mangoro samy any amin’ny distrikan’i Nosy Be, faritra avaratry ny Nosy. Izany rahateo no tena tanjona, antony mbola manosika ny sefo Mariette Andrianjaka hanome fiofanana ireo vehivavy mpahandro sakafo na jeune chef entina hanandratana ny sakafo Malagasy no sady hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa ihany koa. Tranoheva am-polony maro no nandray anjara tamin’izany, nahitana ireo karazan-tsakafo Malagasy avy any amin’ny faritra sy eto an-drenivohitra raha teo ihany koa ny fampirantiana ireo karazan-tsakafo Espanola. Narahina fifaninanana notanterahin’ireo ankizy madinika nivoaka mpandresy tamin’ny fifaninanana tsikonina nokarakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izany, mbola ho fanandratana ny sakafo vita Malagasy ihany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT