Politique

Hahafaha-mandroba an’i Madagasikara Miala any indray ny korontana 2018…


  • Alakamisy 01 Febroary 2018

Mananontanona indray ny korontana sy ny krizy eto amin’ny firenena, raha tsy misy ny fitsipi-dalao mazava sy ny fifandaminana mialoha ny fifidianana, izay hatao amin’ity taona ity raha tsy misy ny fiovana.

 Mazava ho azy aloha fa tanjona amin’izany ny handemena ny rafitra rehetra misy eto amin’ny firenena. Tsy misy tombontsoan’ny Malagasy mihitsy ny hisian’izany eto fa fahapotehana tsy roa aman-tany. Raha tsiahivina ny takaitran’ny krizy 2009, dia hatrany amin’ny 135 ny maty ankoatra ny tsy voaisa tany ho any, 212 no naratra, 250 nikatona vokatry ny fandoroana sy fahabankiana vokatry ny krizy. Nandeha ny fandrobana ny harena: boaderozy, volamena, safira,… Tsy hisy haniry ny hiady sy hikorontana eto, fa toa ezahina hampiadiana tsotr’izao ny Malagasy, mba hahafahan’ny vahiny misoko miadana amin’ny fitrandrahana ny harena, ary ny mpanao politika Malagasy no lalaoviny sy ataony fitaoavana amin’izany. Tena nisongadina io toe-javatra mamohehitra io ny taona 2009 noho mankaty. Rehefa misy ny krizy sy ny korontana, dia tsy dia misy loatra ny fanaraha-maso sy ny dingana na antanan-tohatra lehibe arahina amina resaka fitrandrahana ny harena eto Madagasikara. Isika variana miady sy mifanjevo, fa ny vahiny kosa mitrandraka mangina sy mangorona izay harena rehetra azony halainy miaraka amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpamadika tanindrazana. Fahita eto amintsika ny hoe fanirian’ny teratany Malagasy mandeha any ivelany sy hizaka ny zom-pirenena vahiny satria te ho vazaha an-taratasy tsotr’izao, saingy efa tsy tambo isaina ihany koa ny vahiny mitsiriritra fatratra sy te hahazo zom-pirenena Malagasy na te ho Malagasy an-taratasy. Tsy vitan’izay te hahazo zom-pirenena izay fotsiny fa te hiditra amin’ny seha-pitantanana sy rafitra rehetra eto mihitsy, toy ny hoe mianatra mba ho lasa mpitsara, mpiasan’ny fananantany, olon’ny tafika, indrindra ny asa fandraharahana. Tanjona ny ho lasa mpanapa-kevitra eto amin’ny firenena sy hifehy tanteraka ny toekarena eto Madagasikara. Isika kosa no toa matory lava sy ampiadiana lava eto, ary ny tena loza dia tsy vitsy no mbola mamadika tanindrazana. Tsy sinoa sy karana mihitsy, ohatra, ny manasonia ireny taratasy fahazoan’ny vahiny tany an-jatony hekitara ireny. Mila fahatongavan-tsaina haingana !

Toky R sy Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT