Politique

Hafari Malagasy Hiteraka olana hafa indray ity fifidianana atao amboletra ity


  • Talata 16 Aprily 2013

Betsaka tokoa ny mihazakazaka hilatsaka hofidiana amin’ity fifidianana terena ho masaka toa voalobo-jaza ity, hoy ny Hafari Malagasy, nefa ho anay dia hiteraka olana hafa indray izy io.

 Na hisy anefa io na tsy hisy, hoy Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina filohany, dia tsy maintsy hisy hatrany ny olana satria tsy mahaleotena ny firenentsika fa mbola baiko avy any ivelany no hoentina mamaha ny olan’ny Malagasy. Koa takianay Hafari Malagasy ny tsy hamitan’ireo milaza azy ho kandidà ireo intsony ny vahoaka. Maro amin’ireo nilaza ho kandidà ireo mantsy,  hoy izy, no efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena nefa dia tsy hita akory izay vitany teo amin’ny toerana nanendrena azy teo.

Miandry izany filohan’ny Repoblika faha-4 izany anefa ny famahana ny adin-tany, ny fijerena ny sosialim-bahoaka asa tsy misy, zaza tsy mianatra, fahasalamana tsizarizary, kibo tsy mihinan-kanina …  Koa manao antso avo amin’ny vahoaka izahay fiarahamonim-pirenena mba tsy hofitahana sy tsy hovidim- bola intsony fa tena hijoro hiaro an’ity tanindrazana mitady ho lasan’ny vazaha manontolo ity indray.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT