HAFARI Malagasy

> Tsy ho tana ny fihetseham-bahoaka


  • Alakamisy 05 Septambra 2013


Taratry ny tsy fahazakan’ny vahoaka ny mianjady aminy intsony ireny hetsika niseho teny amin’ny biraon’ny fananantany teny Anosy ny alarobia 4 septambra ireny, hoy Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, filohan’ny HAFARI Malagasy. Variana amin’ny resaka politika loatra ny fanjakana tetezamita, hoy izy ka tsy miraharaha vahoaka izay efa kirina amin’ny adim-piainana mianjady aminy. Ny tena tsy zakan’ny olona dia ny fikitikitiana ny tany nalatsahan’ny tavoniny izay matetika ny vahiny no ao ambadik’izy ireny. Tena fihantsiana vahoaka ankitsirano izao no ataon’ny fanjakana tompon’andraikitra voalohany tamin’ity resaka tany ity, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Averiko ombieny ombieny, hoy ity mpiaro ny zon’olombelona ity, fa tsy ho voatohitr’iza n’iza izany vahoaka mitroatra izany. Efa mirona amin’ny fandraisana andraikitra izy ankehitriny.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT