Ny fandravana ny Kongresin’ny tetezamita (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) no heverin’ny fikambanana HAFARI Malagasy fa vahaolana hahafahantsika miroso amin’ny fifidianana. Izy ireo mantsy no nandany ny volavolan-dalàna nentina nametrahana ny CES sy ny CENIT ka nanendrena ireo mpikambana maro samihafa ao anatiny amin’ny maha fahefana mpanao lalàna azy, hoy ny filohan’ny HAFARI, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Ny CT sy ny CST no tompon’andraikitra voalohany amin’izao zava-mitranga eto amin’ny firenena izao, hoy ny filohan’ny HAFARI ka tsy tokony hanomezan-tsiny ny CES sy ny CENIT na hanenjehana ireto farany ny amin’izay fanapahan-kevitra noraisiny. Notsiahiviny fa hatramin’ny taona 2009 no ho mankaty dia tsy mbola nisy tamin’ireo lalàna nolanian’ny CT sy ny CST mba nitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka. Vao mainka nampahantra ny rehetra aza satria ana miliara ny vola lanin’ny fitondram-panjakana hanakaramana azy ireo. Ny CT sy ny CST no tondroin’ny HAFARI Malagasy ho tsy mahatanteraka ny fifidianana mandraka ankehitriny ka tokony handraisana fepetra manokana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.