Hafari Malagasy

> Mibaribary izao ireo kandidŕ tsy manana «base»


  • Alarobia 30 Oktobra 2013

Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fizotry ny fifidianana farany teo iny raha izay toerana nanarahanay maso akaiky azy io no asian-teny amin’ny maha vondron’ny fiarahamonim-pirenena anay, hoy Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina filohan’ny tambajotra Hafari Malagasy.

Voaporofo ankehitriny hoy izy, fa tsy manana «base» na mpikambana fototra akory ny ankamaroan’ireo kandidà 33 nirotsaka hofidiana ireo. Azo ambara fa namita-tena daholo izy rehetra amin’ny hoe manana mpikambana maro ao aminy nefa rehefa nivoaka ny ampahana voka-pifidianana dia nibaribary ny ampahan’isa manakaiky ny aotra azon’ny maro tamin’izy ireo. Tamin’ny fanatrehana maso ny fizotran’iny fifidianana iny no nahitana fanilikilihana maro samihafa, ny fahatsapana ny andian’olona tafiditra ao anatin’ny hamafin’ny fiainana tanteraka. Voaporofo fa tsy misy olona to teny izany fa mpikarama an’ady no niandraikitra fikarakarana kandidà isanisany. Lesona lehibe ho an’izay mbola mieritreritra ny hirotsaka amin’ny taona 2018 ny hanomana izany dieny izao fa tsy ho tongatonga ho azy eo fotsiny ny fanapahan-kevitra sadasada fa ho kandidà aho… Miharihary izao fa tsy vitan’ny fanatobahana volabe ny fakana ny safidim-bahoaka ka tokony hieritreritra ireo mpanao politika malagasy manoloana izany. Fifandresen-dahatra fiarahamonina tamin’ny alalan’ny «radio trottoir» no nanjaka fa tsy nanan-danja ny dokambarotra nipoapoaka tetsy sy teroa. Mitaky ny hijeren’ny CENI-T ny resaka lisi-pifidianana haingana ny Hafari Malagasy mba tsy hisy ho very zo intsony ny olom-pirenena rehetra ary dia maniry ny hivahan’ny krizy eto amin’ny firenena amin’izay amin’ny alalan’ny fomba demokratika.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT