Tsy hita tao anatin’ny sary iombonana (photo de famille) taorian’ilay dinika nifanaovana teny Andafiavaratra momba ny raharaha Nosy Malagasy nobodoin’ny Frantsay ny Profesora Ranjeva Raymond,
anisan’ireo delegasionina Malagasy 5 nifampidinika tamin’ny solontena Frantsay ny alatsinainy lasa teo. Adiny roa teo ho eo nialoha ny fahataperan’ny dinika no efa niala tao ny tenany, raha ny angom-baovao natao. Inona no antony ? Tsy afa-po na nisy zavatra tsy nifanaraka tamin’ny eritreriny na fitaka natao taminy ve ? Sa kosa nesorina izy ? Henjana amin’ny diplomasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena izy, ka heverina fa tsy hanaotao foana. Matoa miseho izao dia ao raha. Nisy olon-kafa nasosoka tampoka ihany koa tao anatin’ny delegasionina Malagasy. Efa neken’ny firenena mikambana tamin’ny 1979 ny maha antsika an’io ka inona tokoa moa no mbola hatao any Frantsa ? Tsy ny fomba fampiharana izany ve no zava-dehibe mila dinihana ao anaty fifampiraharahana fa tsy handany andro amina zavatra hafa ? Manampahaizana, olon’ny lalàna ary efa mahafantatra tsara ny fomba fiasa eo anivon’ny fitsarana iraisam-pirenena ny Pr Raymond Ranjeva ka azo antoka fa misy antony goavana matoa nandao ny fifampidinihana izy. Ho hita eo ihany ny tohiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.