Politique

Guy Rivo Randrianarisoa “Tsy nitady seza, ary tsy mpamadika aho”


  • Alakamisy 30 Janoary 2020

Mamerimberina eto ireto namana vitsivitsy ankoatra ny mpankahala izay milaza fa Guy Rivo Randrianarisoa mivadika, mandoka efa nandefa CV hiditra governemanta.

 

 

 

Mahazo mamorona ianareo fa tsy ianareo no miaina ny ataoko 24 ora isan’andro fa aza manely vaovao tsy marina, hoy izy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly. Ny tsy ekeko dia ny fanambanianareo ny foto-kevitra hijoroako. Izaho tsy hoe mahay na miseho milay fa izaho dia mandalina ny fiarahamonina ho tsara ka mba manipy teny na mananatra hankanesantsika any amin'ny tsara. Izaho koa Bandy an ! Mba manao revy maha olombelona ahy koa aho fa tiako raha anatin'ny ny fifanajana no hiainantsika ary tiako raha mifananatra isika hafahantsika miova, hoy izy. Raha resaka CV sy Governemanta dia efa nataoko daholo. Nomen’ny TIM ahy izany hatramin'ny 2002. Notazomiko daholo ny toerana ary nahazoako lesona avokoa, ka tsy androany aho no handeha hitsipaka ny foto-keveitra narahiko sy hijoroako, izany hoe ny fomba fiasan-dRavalomanana. Eny na dia manaja ny rehetra aho na ny fitondrana aza. Tsy hanakana ireo mpialona TIM miaraka tamiko aho hanaratsy na hankahala ahy noho io fiarahako akaiky amin'ny filoha Ravalomanana io. Ataoko ren-danitra fa tsy mitady toerana ao amin'ny governemanta aho ary tsy anisan’ireo 7890 nandefa CV. Eto am-pamaranana dia lazaiko fa afaka kosa aho toa anareo rehetra mitondra ny anjara birikiko hampandroso ny firenentsika na ety ivelany sehatra fanjakana aza, hoy ity minisitra teo aloha ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT