Politique

Guy Rivo Randrianarisoa Tsy miteniteny ny Filoha Ravalomanana satria…


  • Alatsinainy 05 Martsa 2012

Nahoana ny Filoha Marc Ravalomanana no tsy re miteniteny firy tao ho ao, hoy ny fanontanian’ny maro ?

 Navantan’ny mpanao gazety tamin’i Guy Rivo Randrianarisoa mpitondratenin’ny ankolafy Ravalomanana izany fanontaniana izany tao anatin’ny lanonana fifampiharahabana nahatratra ny taona nifanaovan’ireo Sefom-pokontany teo aloha mpikambana tao amin’ny FIFAR 192, natao teny Anosizato ny sabotsy teo ka namaliany tsy ampihambahambana fa : “na izaho mpitondrateny aza hitanareo fa tsy miteny mihitsy aho izao”. Ny antony, hoy izy, dia tsotra fotsiny : misy ezaka ara-diplaomatika ataon’ny SADC amin’izao fotoana izao. Hitanareo i Marius Fransman fa nandeha tany Eoraopa tany izy, dia misy diplaomasia atao ao anatin’izany. Rehefa tahaka ireny dia aleo mangina mba tsy hanelingelenana ny mpanelanelana. Faharoa hoe : dila ny fe-potoana 29 febroary 2012 nomen’ny SADC.

Raha tsiahivina, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa namaly izay indray, angamba tamin’ny fametrahana ny Praiminisitra dia tsy tratra koa ny fotoana nomena tamin’izany. Tamin’ny fametrahana ny CST sy CT dia tahaka izay ihany koa ny niseho, ka tsy mahagaga izany ilay izy fa hoe tsy tratra ê ! Na nisy aza ny andro ratsy tao ho ao, tsy hoe ny rivodoza tsy akory no tsy nahatrarana an’io daty io fa misy finiavana ao tsy hanatanterahana ilay izy mihitsy, na mety ho tanterahiana fa atao faran’izay alavitra indrindra. Izay no fijerinay azy amin’ny maha mpitondratenin’ny ankolafy ahy. Ankoatra izay dia tsy afaka miteny n’inona n’inona hafa aho fa Atoa Mamy Rakotoarivelo izay lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana dia manana fahefana feno handray andraikitra rehetra mikasika ny ataon’ny ankolafy ao anaty fanjakana sy ny famerenana ny Filoha Marc Ravalomanana izay voasoratra ao anaty sori-dalana.

Anjarany sy ny CST ary ny CT no manatanteraka izany fa izahay dia manampy sy manohana azy ireo fotsiny ihany. Ary raha ny vahoaka indray, hoy ity mpanao politika ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ity, dia samy milaza daholo izay anontaniana fa tsy azo ihodivirana ny Filoha Ravalomanana. Telo taona aty aorian’ny krizy ny Malagasy rehetra, hoy izy, dia efa mahatsapa daholo hoe : tsy hisy tetezamita vonona na fifidianana vonona eto raha tsy vahana aloha ny raharaha Ravalomanana. Ka rehefa tokony ho vahana io dia samy manao ezaka avokoa ny rehetra. Raha izahay ankolafy Ravalomanana, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa, dia efa nanao ezaka lehibe tamin’ny fanekena an-dRajoelina ho filohan’ny tetezamita, dia tokony mba hiverina aty aminay koa izany zavatra nataonay izany ho an’ny ankolafy sasany.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT