Politique

Guy Rivo Randrianarisoa Mila fanovana ny fitsarana !


  • Zoma 25 Jolay 2014

Nalaza tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, hoy ny Kestora 3 eny amin’ny Antenimieram-pirenena, Guy Rivo Randrianarisoa, ny fikaonandoham-pirenena mikasika ny fitsinjaram-pahefana notanterahina teny Ivato ka nieritreretan’ireo mpizaika avy amin’ny tolokevitry ny fanjakana tamin’ny alalan’ny minisitera tompon’andraikitra ny resaka fizarazarana kaominina samihafa, indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra sy ny sata manokana ho an’ny hafa vitsivitsy. Tsy misy maharatsy izany, hoy ity depiote ity, fa dia andrasanay ety amin’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna mikasika izany

Raha mandeha ny teny, hoy izy, fa tsy maintsy ho lany mora foana ety aminay izany volavolan-dalàna izany noho ny tery vay manta ataon’ny fanjakana dia milaza fa hiady mafy izahay ka raha mety amin’ny rehetra dia arahaba soa arahaba tsara fa raha tsy mety kosa dia tsy maintsy hisy fanovana hatao ao anatin’izany. Raha ny marina, hoy ity depiote avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity, dia efa tamin’ny taona 2006 ka hatramin’ny taona 2008 no efa tafapetraka tamin’ny alalan’ny MAP izany FDL sy CICLD ary INTDL mifandraika amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy izany teto amintsika ary efa nanaovana fivoriambe teny Iavoloha mihitsy aza izy ireo ka ny fampiharana sisa no nandrasana nefa tsy vita noho ny krizy nihatra teto amin’ny firenena. Ny tiana hisarihana ny sain’ny rehetra, hoy ny Kestora Guy Rivo Randrianarisoa, dia ny amin’ny resaka fanapahan-kevitra “à priori” izay manome vahana ny lehiben’ny distrika hanara-maso ny asa atao mihoatra ny ben’ny tanàna izay mpamolavola ny tetikasa hatao. Mifanohitra tanteraka amin’ny resaka « à posteriori » izay any aorian’ny asa no hanaovana « contrôle”. Sahiko ny milaza, hoy ity depiote ity, fa misy fanovana be dia be tokony hatao eto amin’ity tany ity. Zon’ny olom-pirenena ny mitory fa anjaran’ny fitsarana no mandinika hoe hatraiza no ampiharina izany fampidirana am-ponja vonjimaika izany ? Naninona no tsy nangataka “droit de réponse” ny nahatsiaro tena ho afa-baraka ? Raha fehezina izay rehetra izay dia azo ambara fa mila fanovana tanteraka ny fitsarana eto amintsika amin’ny ankapobeny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT