«Novain’ireo tompon’andraikitry ny FAT ny votoatin’ny tondrozotra. Voamarika manokana amin’izany ny tompon’andraikitry ny fitsarana sy ny filaminam-bahoaka.
Nampiharin’izy ireo ny fahefana ananany mba entina handikana izay voalazan’ny tondrozotra». Izay no anisan’ny nisongadina tamin’ny fampitam-baovao nataon’ny ankolafy Ravalomanana, avy amin’ny mpitondra teniny Guy Rivo Randrianarisoa. «Ny fikasana hisambotra an’Atoa Marc Ravalomanana dia fandikana vilana avy hatrany ny tondrozotra izay manamarika ny fampihavanana sy ny filaminam-bahoaka. Noho izany, raha misy ny tsy fahombiazan’ny fampiharana ny tondrozotra dia ny FAT ary izy irery ihany no ho tompon’andraikitra amin’izany. Na izany aza anefa dia mbola azo arenina izay tsy mety ary manainga ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba hiditra an-tsehatra amin’izany sy amin’izay dingana efa vita» raha araka ilay fampitam-baovao hatrany.
«Ny vahaolana mahomby indrindra amin’izany dia ny fivoriana an-tampony eo amin’ireo filohan’ny Ankofaly efatra eto Madagasikara mba ho fampiharana ny tondrozotra avy amin’ny fitadiavam-bahaolana eo amin’ny samy Malagasy. Hivoitra amin’izany ny fampodiana tsy misy fepetra ireo olona mialokaloka ara-politika any ivelany, ary ao anatin’ny filaminana tanteraka. Raha tsy izay dia tsy hisy handeha amin’ny laoniny ny tetezamita izay ezahina apetraka eo. Ary mainka koa aza hitohy ny tsy filaminana sy ny fahantrana», raha araka ny ny hita tao amin’ilay fampitam-baovaon’ny Ankolafy Ravalomanana hatrany. Nandeha ny feo tamin’ny faran’ny herinandro teo fa nisy ny fihaonan’Atoa Marc Ravalomanana sy ny filoha afrikanina tatsimo, izay filoha mitarika ny Troika SADC, Jacob Zuma. Tsy misy vaovao ofisialy mikasika io, saingy raha raikitra tokoa dia azo antoka fa voaresaka tao ny amin’ny tokony hisian’ny fihaonana an-tampon’ireo filohan’ny Ankolafy efatra io eto Madagasikara, ary mety handamina ny fanatanterahana izany no anisan’ny anton-dian’ny iraky ny Troika indray, izay tokony ho avy amin’ity herinandro ity.
Samy
Sary : Guy Rivo Randrianarisoa, mpitondra tenin’ny Ankolafy Ravalomanana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.