Politique

Guy Rivo Randrianarisoa “Filan’ady ny fanakatonana ny TIKO”


  • Talata 10 Oktobra 2017

Miha mazava ny resaka amin’izao fotoana fa manomboka ny antsojay atao amin’i Marc Ravalomanana sy izay mifandray aminy.

 

Io efa iaraha-mahita io ny kapa ranjo atao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra momba ny fako. Ailika any aminy ny rihitra kanefa ny fitondrana foibe no tsy manatanteraka araka ny tokony ho izy ny adidiny tahaka ny fanomezana fanampiana ara-bola izay zo feno an’ny kaominina fa tsy fangatahana na fiangaviana akory. Rehefa mbola misavovona ny fako dia ny kaominina tantanan-dRamatoa Lalao Ravalomanana ihany no voasoketa. Izao indray katsahana ny fomba rehetra hanakatonana ny ozinin’ny Tiko any Antsirabe ka nahatonga ireo mpiasa sy tantsaha ao Andranomanelatra nanao diabe nilanja sorabaventy omaly. Marihina fa efa mampiasa olona 1.000 mahery ny Tiko ao Antsirabe raha manodidina ny 3.000 ny mpiasa tao aminy teo aloha. Anisan’ireo orinasa Malagasy manaja ny fenitra amin’ny asa ataony ny vondron’orinasa Tiko hatramin’izay ka hatramin’izao. Tsy izahay mihitsy no hanao zavatra kitoatoa, hoy ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ity orinasa ity. Hentitra amin’ny resaka kalitaon-javatra i Marc Ravalomanana ary matetika izy no manara-maso akaiky ny asa rehetra atao ao Andranomanelatra-Antsirabe. Nanambara omaly hariva Andriamatoa Guy Rivo Randrianarisoa, kestora fahatelon’ny Antenimieram-pirenena ary anisan’ireo olona akaiky an’i Marc Ravalomanana fa nisy tokoa ny taratasy navoakan’ny minisiteran’ny Indostria momba ny fanakatonana ny Tiko AAA noho ny filazana fa tsy mbola manana ny “permis environnemental” izy. Aminay, filan’ady tsotra izao izany, hoy i Guy Rivo satria isika eto Madagasikara izao dia miady amin’ny pesta, miady amin’ny fahantrana sy ny tsy fananan’asa. Misy ny mpandraharaha Malagasy mamorona asa ho an’ny Malagasy ka nahoana no hanaovana kapa vavaranjo toy izao ? Maro be, hoy izy, ny orinasa eto tsy mbola mahafeno ny fepetra kanefa mahazo fahazoan-dalana manokana hihodina ary afaka miasa tsara sy mivarotra ny entany manerana an’i Madagasikara. Fa nahoana no rehefa Tiko AAA no manomboka miasa dia hanaovana don-tandroka sy antsojay tahaka izao ?

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT