Tafapetraka teo anivon’ny OVEC Antsirabe voalohany ny antontan-taratasy maha kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara an’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa.
Izy no kandida faha-3 nahatafapetraka ny antontan-taratasiny omaly tolakandro tao Antsirabe. Nambarany fa efa vonona amin’ny fanarenana ny tanànan’Antsirabe izy sy ireo akipa miaraka aminy. Nambarany fa mila olona mijoro sy mitana ny teny nataony ary vonona hiasa ho an’ny vahoaka no ilain’Antsirabe. Afaka mamaly izany ny antoko Tiako i Madagasikara ary antony nilatsahany. Vonona izy ireo hametraka tanàna milamina, ary hanangana sy hampandroso miaraka amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara. Nambarany fa nanahirana azy ireo ny fiovan’ny fitakian’ny tany amin’ny tahirim-bolam-panjakana taratasy hafa rehefa tonga tany izy ireo ka nahatara ny fametrahana ny antontan-taratasy. Mikasika ny fahapotehan’ny tanàna dia nambarany fa zavatra efatra no ilain’ny vahoaka dia ny tanàna madio, milamina, manana ny maha izy azy dia ny rano sy ny fahafahana mivezivezy ara-dalàna amin’ny lalana. Nambarany nivantana aza fa fitaovana ilaina maika ny fitaovana famonjena voina. Mikasika ny karaman’ny mpiasa tsy voaloa moa dia nambarany fa tsy hampanantena ny handoavana izany avy hatrany ny tenany saingy tsy ho tapaka kosa ny karaman’ny mpiasa ka ao anatin’ny 6 volana dia haloa ireo trosa ireo amin’ny alalan’ny fitantanana madio sy mangarahara izay hapetrany. Marihina fa hatramin’ny ora nandalovana tany amin’ny OVEC dia vao kandida 3 no fantatra dia ny natolotry ny AMI, ny Hasin’Antsirabe ary ny TIM. Taorian’izay vao tonga ny IRD sy ny lehiben’ny faritra teo aloha, Atoa Mandrindra Andrianjanaka ary Atoa Ralison Andriamandranto. Misy amin’ireo kandida no tsy nanolotra lisitra mpanolotsaina ihany koa.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.