Misaotra anareo raiamandreny, hoy ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa fa tafita aty aminay zanaka ny fanilon’ny fitiavana tanindrazana, lesona ho anay ny mbola mijanona ho Ravalomanana ihany.
Tsy miova ny soratra fa i Dada mody satria tamin’ny anarany no nahalany ny tena. Mifandamina isika amin’ny fifidianana manaraka, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa fa tsy manao bodongerona sy tia tena ary amin’ny anaran’ny TIM (Tiako I Madagasikara) satria tsy hisy intsony ny antoko Zanak’i Dada aorian’ity aprily ity. Ny faniriana dia i Marc Ravalomanana no ho filoha vaovaon’ny TIM, ary hitsangana avokoa ny rafitra rehetra taloha satria haka fahefana. I Neny no hatao ho Ben’ny tanàna ary Marc Ravalomanana no filoha amin’ny 2018.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.