Politique

Guy Maxime “Tsy mbola mifarana ny ady !”


  • Alarobia 30 Novambra 2011

Tsy olana araka ny lalŕna no misy eto Madagasikara, araka ny fanazavan'ny depiote teo aloha Mektoub Camille avy amin'ny ankolafy Zafy Albert raha nikabary tetsy amin'ny kianjan'ny Magro fa resaka teny.

 Samy manana ny fandikany teny ny tsirairay, hoy izy, ka dia miteraka olana izany. Manoloana ny fikasan’ny FAT hisambotra ilay teratany vahiny niara-dia tamin'ny zanaky ny filoha Ravalomanana moa dia fanontaniana no napetrak'ity olom-boafidy teo aloha ity hoe raha tena mersenera marina, nahoana no tsy nosamborina teo am-pahatongavana teny Ivato ihany izy ireo ? Ankoatra izay dia nitondra hafatra avy tamin'i Guy Rivo Randrianarisoa izay mpitondratenin'ny ankolafy Ravalomanana izay anisan'ireo nody an-tanindrazana ny alahady lasa teo koa ny tenany.

Tamin'izany no nilazany fa «aza eritreretina ho tahotra na hakanosana ny tsy ahitana an'i Guy Rivo Randrianarisoa eny an-kianja satria mamita adidy lehibe amin'ny fanomanana ny fodian'ny filoha Ravalomanana izy. “Tsy andraikitra mora izany fa mila fantarina ny zava-misy rehetra eto an-toerana, na eo anivon'ny sivily na eo anivon'ny miaramila», hoy ny hafatra nampitaina. Tsy maintsy ho avy eny an-kianja ihany ny tenany hanome ny toromarika sy ny fandaminana rehetra amin'izay fihavian'ny filoha izay ihany. Tsy mbola mifarana moa ny ady, hoy Ralaiseheno Guy Maxime.Vao ny zanany iny no tonga dia efa misamboaravoara. Mitaky firaisankina ny zava-misy amin'izao fotoan’izao, hoy ihany ity Ben'ny tanànan'Ankaraobato. Tsotra kosa ny resaka, ho an'ny depiote Henri Randrianjatovo. «Rehefa tsy hanaiky ny fampiharana ny sori-dalana ny governemanta Beriziky dia ho avy koa isika amin'ny angady sy harona». Raha ny vaovao moa dia miomana fatratra amin'ny fitsenana ny filoha Ravalomanana ireo mpiara-dia aminy etsy an-kianja ary tsy hifarana mihitsy ny tolona raha tsy tonga eto an-tanindrazana ny filoha.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT