Politique

Guy Maxime Ralaiseheno Vonona hitondra avo ny tanànan’Ankaraobato


  • Alakamisy 12 Septambra 2019

Vonona hirotsaka hofidiana ho Ben’ny tanànan’Ankaraobao indray Atoa Guy Maxime Ralaiseheno amin’ny 27 novambra ho avy izao,

 

  izay efa ben’ny tanàna tao an-toerana ihany tamin’ny fotoan’andro saingy noho ny fifandonana ara-politika dia naato tamin’ny asany tamin’ny taona 2010. Omaly no tonga nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiany tetsy amin’ny OVEC 67 ha ny tenany sy ireo ekipa miaraka aminy, amin’ny alalan’ny antoko tsy miankina. Nambaran’Atoa Guy Maxime tamin’izany fa tiany sy maminy loatra Ankaraobato, izay tanànany rahateo. Vonona indray izy ny hitondra avo ny lazan’ny tanànany amin’ny alalan’ireo traikefa efa ananany. Anisan’ny asa maika ho azy ny fandraisana an-tanana ny fiainan’ny tanora maro an’isa. Anisan’ireny ny famoronana asa, ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana, ny fampiroboroboana ny  sehatry ny fialamboly ankoatra ny fanomezana vahana ny lafiny fanatanjahantena. Tsy ho latsa-danja amin’izay ny asa fanamboaran-dalana hiainga eny ifotony hahafahan’ny isam-pokontany miara-mandroso. “Ankaraobato tsy mena-mitaha” no teny filamatra entin’i Guy Maxime miatrika ity fifidianana Ben’ny tanàna ity amin’ireo mpifanandrina aminy ao an-toerana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT