Efa mirona mankany amin’ny 2018 ny ankamaroan’ny mpanao politika eto Madagasikara ankehitriny, ary na ny sarambabem-bahoaka ihany koa aza dia efa mieritreritra ny hitranga eto amin’ny firenena na amin’ny fifidianana filoha na solombavambahoaka, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno.
Tsara anefa ny mampahatsiahy ny olana eto amin’ny firenena dia ny ara-pitantanana ara-politika, ary io no tokony handamina sy handrindra ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy amin’ny lafiny ankapobeny mihitsy amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina sy ny Malagasy, hoy io mpanao politika io. Iaraha-mahafantatra tsara hoe nandritry ny taona maro be tamin’ny olana ara-politika nifanesy teto amin’ny firenena, dia saika resaka olona no olana ara-politika, raha tsy hiresaka afa tsy ny olan’i Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka, Ravalomanana sy Rajoelina, Rajaonarimampianina sy Rajoelina,… ka rehefa hadihadiana dia resaka olana ara-politika mikasika olona iray, ka tsy mety mampivoatra ny firenentsika, raha ny nambarany. Tsy izany intsony no tokony ho fomba fijery ara-politika fa olona voalohany indrindra manana programa mazava ara-piarahamonina, ary nametra-panontaniana izy hoe : tsy maintsy ireo ve no hitondra firenena ? Ho an’i Guy Maxime Ralaiseheno, dia ilaina ny olom-baovao ara-poto-kevitra, ara-toetsaina, vaovao araka izay fandaharan’asa sy programa hoentiny hampandrosoana ny firenena fa mendrika izany i Madagasikara. Azo atao lasitra iray tahaka ve ireo mpanao politika izay sokajiana hoe matanjaka ireo ? Nisy ihany ny zavatra nataony saingy ny lanjany no tsy mitovy. Nisy ny nahavita be ary nisy ihany koa ny namotika be. Na tsy nitsotra ny zavatra tiany hahatongavana aza ity mpanao politika ity, dia re kosa fa manosika mafy an’i Orlando Robimanana amin’ny fifidianana 2018, ka mahatonga azy manisika tsikelikely ny hevitra hanilihana ireo efa nitantana teo aloha. Maro no efa mitsara azy ho mpanao politika tanalahy ary miankina amin’ny mety ho tombontsoa ihany io. Malaza ho kandida tena manana hatoraka raha ny lafiny ara-bola i Orlando Robimanana, ka any indray angamba no hitangirika sao mba hisy iviny kely ho an’ny tena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.