Nanamafy i Guy Maxime Ralaiseheno omaly tamin’ny alalan’ny antso an-tariby nifanaovana taminy fa tsy mbola nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny tenany hoe miaraka na manohana an-dRabe na Rakoto ary tsy manilika ny hafa ihany koa ary mandiso ny fanambarana an-gazety fa tsy mila an-dRavalomanana sy Rajoelina ary Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana.
Tsy mbola nilaza ny hevitro momba izany aho ka aoka hazava tsara, hoy izy. Tsara kosa anefa ny manamarika fa niainga tamin’ny famakafakana ny horonam-peo sy ny fanadihadiana nataona mpanao gazety tsy miankina taminy no nivoahan’ny horonam-peo ka namoahany hevitra hoe : “Ny olana eto amin’ny firenena, dia olana ara-pitantanana ara-politika, ary ny olana ara-pitantanana no tokony handamina sy handrindra ny lafiny ara-ekonomika sy ny lafiny ara-tsosialy ary ny lafiny ankapobeny mihitsy amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina sy ny Malagasy… Raisintsika ho olana ny olan’i Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka tany aloha, ny olana teo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina taty aoriana, ary fantatsika amin’izao ny olana eo amin’i Andry Rajoelina sy ny filoha Rajaonarimampianina…” Fanontaniana napetrany ny hoe tsy maintsy ireo ve no hitondra firenena ? Raha amiko manokana izaho Guy Maxime Ralaiseheno, hoy izy, dia mitaky mihitsy ary mitady olom-baovao, vaovao ara-toetsaina, vaovao ara-poto-kevitra, araka izay fandaharan’asa sy programa hoentina hampandrosoana ity firenena ity fa mendrika izany ny Malagasy, hoy izy tao anatin’ilay horonam-peo. Tsy mbola nanao fanambarana imasom-bahoaka aho hoe miaraka na amin’iza na amin’iza, ary izay no politika amiko, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno .
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.