Politique

Guy Maxime Ralaiseheno “Rava amin’ity ny fanjakan-dRajoelina”


  • Talata 10 Janoary 2012

“Rava amin’ity volana janoary-febroary 2012 ity ny fanjakan-dRajoelina”, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno, tao amin’ny Magro omaly.

 Nohamafisiny fa teo amin’ny tantaran’ny firenena dia ny vanim-potoana toy izao no naharava ny fanjakana. Efa marefo dia marefo rahateo, hoy ity mpikambana amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity ny fanjakan-dRajoelina. Maro ireo raharaha tsy voavahan’ny mpitondra fanjakana. Notanisainy ny olan’ny manamboninahitra lefitra ampian’ny rezervista, eo koa ny an’ny mpitsara sy polisy izay tsy mety voavaha. “Izao dingana alehantsika izao dia dingana ho amin’ny fandravana ny fanjakan-dRajoelina”, hoy ihany izy. Tokana ny vahaolana, hoy i Guy Maxime dia ny fodian’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana. Hatreto dia nahomby ny paika natao, hoy izy. Mila finiavana politika ny famahana izao krizy mandavo ny firenena izao kanefa ny zava-misy, hoy izy dia tsy manana izay finiavana politika izay Rajoelina ka izany no antony tsy maintsy hanesorana azy.

Ankoatra izay dia nambarany fa resaka filalaovana serasera no anton’ny fety efatra andro eny Iavoloha, hanakonana ireo olana tsy mety voavaha. “Tsy hanafosafo an-dRajoelina izahay fa ny raharaham-pirenena no mila atrehina eto. Ny fahantran’ny vahoaka koa no tokony hotsinjovina. Tsy misy midinika izay volavolan-dalàna eo fa izay efa lany aloha no ampiharina dia ny sori-dalana izany”, hoy ihany i Guy Maxime Ralaiseheno. Momba izay sori-dalana izay ihany, raha ny vaovao dia andrasana amin’ity anio ity ny fe-potoana farany omen’ilay ‘comité ad’hoc’ eo anivon’ny governemanta amin’ny fampiharana ny sori-dalana.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT