Politique

Guy Maxime Ralaiseheno Fifidianana filoham-pirenena ihany


  • Alatsinainy 30 Jolay 2012

Iray tamin’ireo mpanao politika nanafana ny hetsika tao Antsirabe ny mpikambana eo anivon’ny kongresy, Ralaiseheno Guy Maxime Ralaiseheno ny sabotsy 28 jolay lasa teo.

 Nambarany fa efa tsara ny dinika tany Seychelles raha ny fahitany azy na dia tsy mbola tena nisy fehin-kevitra nivoaka sy niraisana aza. Efa nifanatona mantsy ny mpifanandrina mivantana dia ny filoha Ravalomanana sy ingahy Andry Rajoelina. Ny zavatra azo lazaina

sy marihina, hoy izy, dia efa nisy ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana natao teny amin’ny Paon d’Or ny 16 septambra 2011 ary efa nanaiky an’io Rajoelina. Nekeny koa fa io no lalàna velona hitantanana ny tetezamita ary neken’ny rehetra izay nanao sonia izany. Ho an’ny Movansy Ravalomanana dia tsy tokony hisy fifanarahana hafa hivoaka ankoatra iny fa ny  fampiharana ny isan’andininy sisa himasoana. Ankoatra izay dia sokafana ny haino aman-jery nakaton’ny FAT ary tanterahina ny fifidianana. Nomarihiny fa ny fifidianana filohan’ny Repoblika no tokony hatao voalohany satria izay no hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena sy hahafahan’ny Malagasy manana solontena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay voalazan’ny lalàmpanorenana. Nomarihiny mazava fa tsy ny solombavambahoaka no misolotena antsika eny amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy maintsy ny filoham-pirenena ary izay koa no mamarana ny tetezamita.

Raha ny fahitany ny zava-nisy ny zoma lasa teo, nahakasika ny fodian’ny vadin’ny filoha Ravalomanana dia nambarany fa voalazan’ny lalàmpanorenana na ilay taloha na ilay kitotoa farany teo fa manan-jo hivezivezy eto amin’ny firenena ny teratany Malagasy ka tokony ho afaka niditra malalaka eto izy sy ny fianakaviany. Mahagaga ihany, hoy ity mpanao politika ity satria tsy i Lalao Ravalomanana sy Rajoelina no nifanandrina teto ka tsy tokony hisy hidirany ny politika ary mazava ny anton-diany fa hitsidika ny reniny sy ny zanany. Nolazainy fa manana vahaolana hamahana ny krizy ny movansy Ravalomanana rehefa tsy mahita izay lalan-kizorana intsony  Rajoelina. Olom-pirenena tsotra no hanehoan-dRajoelina ny heriny fa tsy ny tena mpifanandrina aminy. Na izany aza dia nomarihiny fa tsy mitady ady amin’ny hafa izy ireo fa manao ny tolona am-pilaminana.

 

Caïus Raharison 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT