Politique

GTT Réunion Tokony haneho finiavana politika ny FAT


  • Alarobia 16 Novambra 2011

Samy miaiky ny rehetra, na ny eto an-toerana na ny sehatra iraisam-pirenena fa fanonganam-panjakana no nataon-dRajoelina teto Madagasikara, araka ny fanambarana nataon’ny GTT Réunion.

Hatramin’ny fiandohan’ny fifampidinihana dia nandefitra hatrany ny ankolafy Ravalomanana ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena, hoy ny fanambarana, ary dia nanaiky ny fanendrena an’i Omer Beriziky ho praiminisitra na dia tsy tena avy amin’ny mpanohitra aza ny lehilahy. Raha manana finiavana politika tokoa ny FAT, hoy ny GTT Réunion dia tokony hiroso avy hatrany amin’ny famotsorana ireo gadra politika rehetra tsy ankanavaka, eo koa ny fanajana ny fahalalahana miteny amin’ny alalan’ny famoahana ireo haino aman-jery rehetra nakatona, sy ny fampodiana ireo sesitany politika, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana. Mialoha ny 17 novambra, fotoana hananganana ny governemanta no tokony hanantanterahan’ny FAT ireo. Raha tsy tanteraka ireo, raha ny fanambarana ihany dia tsy tokony hiroso lalina intsony ny ankolafy Ravalomanana.

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT