GTT Madagasikara

> Mifarana eo ny fitondran’ny mpanongam-panjakana


  • Sabotsy 21 Septambra 2013


Nampahafantarin’ny antoko GTT Madagasikara tarihan’ny filohany Rtoa Razanamahery Michelle, teny amin’ny Panorama Andrainarivo omaly 20 septambra, fa handray anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy ry zareo mba tsy hamelana ny mpanongam-panjakana hitondra ny tany sy fanjakana intsony fa ampy izay efa-taona sy tapany niainana tanaty fahantrana lalina sy lavaka mangitsokitsoka izay. Hanao fanentanana ifotony mihitsy izahay, hoy ity filohan’ny GTT ity, hilazana amin’ny vahoaka fa tsy ilaina izany mpanongam-panjakana izany. Ekena, hoy Rtoa Michelle fa fifidianana sarintsariny ity hatao ity nefa dia handray anjara izahay noho ny antony efa voalaza teo. Nomarihan’Atoa Ramanantsoa Herilalao filoha lefitry ny fikambanana GTT Madagasikara fa tsy misahana resaka politika ry zareo satria voafehin’ny lalàna 60-133. Miantso ny mpiara-mitolona izahay, hoy ny GTT Madagasikara, raiso ny andraikitra ka atambaro amin’ny fomba demokratika ny hery, andao hifidy tsy hamelana ny mpanongam-panjakana hanjakazaka intsony ka hilaza amin’izy ireo hoe : Tsia, Tsia, Tsia…

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT