Politique

GTT Iraisam-pirenena Tsy nitsitsy fitenenana amin’ny GIC-M


  • Alakamisy 01 Aogositra 2013

Raha ny fantatra dia tapitra omaly 31 jolay ny fe-potoana nomen’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ao anatin’izany ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC ny amin’ny tokony hisintahan’ireo kandida telo amin’ny fifidianana dia i Andry Rajoelina, Didier Ratsiraka ary Rtoa Lalao Ravalomanana.

Nanome fe-potoana ihany koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny amin’ny tokony hanovana ireo mpikambana ao amin’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana na ny CES sy ny tokony hanafoanana ny didy efa navoakany. Voalaza, raha tsy misy ny fiovana, dia hilatsaka manomboka anio ny sazy ho azy ireo. Manoloana izany rehetra izany dia nanoratra tany amin’ny lehiben’ny Vaomiera Afrikanina, Rtoa Nkosazana Dlamini Zuma, sy Ramtane Lamamra, ao amin’ny vaomieran’ny filaminana sy ny fandriamapahalemana ao amin’ny Vondrona Afrikanina, ho an’i Joaquim Chissano izay mitarika ny asa fanelanelanana, ny Sekretera jeneralin’ny vondrona mampiasa manontolo na amin’ny ampahany ny teny frantsay na ny OIF.

Tao anatin’izany no nilazan’ny GTT Iraisam-pirenena fa ao ambadiky ny fanapahan-kevitra rehetra i Frantsa sy ny Frantsafrika. Nambaran’ity vondrona ity ihany koa fa tsy rariny ary tsy ara-dalàna ny fanakanana na ny fanosehana an’i Lalao Ravalomanana hiala tsy ho anisan’ny kandida. I Andry Rajoelina izay mpanongam-panjakana kanefa nomen’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fahefana be ka nahatonga izao krizy sy fahantrana lalin’ny Malagasy izao no tena fototry ny olana, hoy ihany ny GTT Iraisam-pirenena. Nisy ny sazy voalaza fa tokony hihatra amin’ny mpanongam-panjakana kanefa toa tsy nampiharina izany fa vava fotsiny.

Ny fonja no miandry izay maneho hevitra rehefa tsy matin’ny tifitr’ireo miaramila. Tsy misy mpijery ny gadra politika, miha mafy ny fahantrana manjo ny olona. Hatramin’izao koa dia tsy nisy na iray aza ireo haino aman-jery nakatona no mbola nisokatra sy ny maro hafa tsy voatanisa. Manoloana ireo dia nanao antso avo amin’ny GIC-M ny GTT iraisam-pirenena mba hijery ny mahaolona, ny fitandroana ny zon’olombelona ka handray fepetra sy fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izany.

ANA

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT