Manoloana ny fihazakazaky ny toe-draharaham-pirenena, eo koa ny fandeferana nataon’ireo ankolafy roa mpanohitra nanao sonia ilay sori-dalana hivoahana amin’ny krizy dia toa maneho fa tsy vonona hiara-kiasa ny mpanongam-panjakana, araka ny taratasy nalefan’ny vondron’ny GTT Iraisam-pirenena ho an’ireo tompon’andraikitra eoropeanina.
Tanisain’izy ireo amin’izany ny NOTAM navoaka hanakanana ny filoha Marc Ravalomanana hody an-tanindrazana sy ny fikasana hisambotra ity farany any Afrika Atsimo. Miantso ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina ity vondrona ity mba hitazona hatrany ny fanekena sy ny toerany nandritry ny krizy ka tsy hanome fankatoavana fa hitazona hatrany ny sazy ho an’ny FAT. Nohamafisin’izy ireo rahateo fa araka ny andininy faha-34 ao anatin’ilay sori-dalana dia mametra fa tsy hahazo izany fankatoavana iraisam-pirenena izany mihitsy ny filoha sy ny governemantan’ny tetezamita raha tsy efa tafapetraka ireo rafitra tenierana, handraisan’ny rehetra anjara. Eo koa ny andininy faha-41 milaza fa ny fanafoanana tsikelikely ireo sazy dia miankina amin’ny fanatanterahana ireo dingana rehetra voalaza ao anatin’ny sori-dalana.
Ny andininy faha-43 moa dia manambara fa raha toa ka tsinontsiniavina izany sori-dalana izany dia mety handray fepetra ho an’ireo izay nandika ny sori-dalana ireo mpiray ombon’antoka. Notsiahivin’ny GTT Iraisam-pirenena ao anatin’ilay taratasy moa fa nomelohin’ny Vondrona sy ny Parlemanta Eoropeanina ny fanonganam-panjakana niseho teto Madagasikara. Noho izany rehetra izany, hoy ny GTT Iraisam-pirenena dia tsy azo heverina ny hanomezan’ity vondrona ity fankatoavana ho an’ireo misolotena ny fanjakana tsy ara-dalàna, mpanongam-panjakana. Miantso ny amin’ny tokony hisiana fihaonana eo amin’ireo filohan’ny Ankolafy koa ny GTT Iraisam-pirenena ho fampiharana sy fanaganana ny tena tetezamita iaraha-mitantana.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.