Tsy fandriampahalemana, fanitsakitsahina ny zo mahaolona, fidangan’ny vidim-piainana, famoretana vahoaka, tsy fisian’ny fahalalahana, fahaverezan’asa, ampahany amin’ireo olana goavana sedrain’ny Malagasy tanisain’ny vondrona GTT Iraisam-pirenena ireo, iainan’ny Malagasy tato anatin’ny 30 volana.
Hiantsoan’izy ireo ny fianakaviambe iraisam-pirenena hanohitra ny fitsabahan’ny Frantsay amin’izay tondrozotra tian’izy ireo hapetraka eto amintsika. Sotasotain’i Andry Rajoelina sy ny namany ny fifanarahana rehetra noheverina fa hamoaka an’i Madagasikara amin’izao krizy izao, araka ny fanazavana ihany. Ary dia miray tsikombakomba amin’ny FAT ny mpanelanelana sasany eo anivon’ny SADC. Raha ny zavatra hita ankehitriny, raha ny fanazavana ihany dia manohana an-karihary ny mpanongam-panjakana ireo tompon’andraikitra ambony Frantsay izay mikiry ny hanaovana sonia ny tondrozotran’izy ireo. Notsiahivin’ny GTT Iraisam-pirenena fa tsy misy tondrozotra hafa fa iray ihany dia izay tapak’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC tany Sandton ka io no tokony hosoniavin’ireo ankolafy politika isan-tokony. Ankoatra izay, raha ny vaovao dia fanembantsembanana sy fanakorontanana fotsiny ihany. Manoloana izany rehetra izany àry dia nanoratra taratasy ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny GTT Iraisam-pirenena mba hampitsaharan’i Frantsa ny fitsabahany amin’ny fandaminana ny raharaha eto Madagasikara ka angatahin’izy ireo amin’izany ny hanesorana ity firenena ity tsy ho anatin’ireo firenena mikirakira ny famoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy. Mangataka ny hamoahana tsy misy fepetra ireo gadra politika rehetra ihany koa ity vondrona ity sy ny fiverenan’ireo sesitany politika rehetra, indrindra fa i Marc Ravalomanana.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.