Politique

GTT Iraisam-pirenena : Mampitandrina ny fianakaviambe iraisam-pirenena


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2012

Mampitandrina ny amin’izay mety ho fihetsika hanakanana ny fodian-dRavalomanana an-tanindrazana ny fikambanan’ny Gasy Tia Tanindrazana na ny GTT Iraisam-pirenena.

 Nambaran’ity vondrona ity izay nanoratra taratasy ho an’ny fianakaviambe irasaim-pirenena fa tsy nahafa-po ary tsy nahitana vahaolana ho an’ny krizin’i Madagasikara ny fihaonan’ny Sadec tany Maputo farany teo. Na dia nanambara aza ny Sadc fa tokony hampiharina an-tsakany sy an-davany ny sori-dalana dia tsy mbola nisy fanasaziana ireo sakana ho amin’izany hatreto, hoy ny GTT Iraisam-pirenena. Neken’ny Sadc koa ny tetiandrom-pifidianana kanefa tsy nisy fepetra hentitra tanterahina hisiana fahatoniana mialoha ny fifidianana. Manoloana ireo rehetra ireo dia mitaky ny hametrahan’ny Sadc ny fepetra rehetra amin’ny fanatanterahana ny sori-dalana ny GTT Iraisam-pirenena.

Eo koa ny tokony hanasaziana ny mpanongam-panjakana, eny hatramin’ny sazy isam-batan’olona, ny fametrahana ny fitoniana ka ao anatin’izany ny famoahana ireo haino aman-jerin’ny mpanohitra, ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra, ny fodian’ireo sesitany politika rehetra. Tokony handray andraikitra ihany koa ny Sadc amin’ny famerenana an-tanindrazana an’i Marc Ravalomanana, hoy ny GTT Iraisam-pirenena sy miantoka ny filatsahan-kofidiany. Ankoatra izay dia eo koa ny fikarakarana ny diniky ny samy Malagasy hotarihin’ny FFKM. Ny samy Malagasy no hifanaraka amin’izay tetiandrom-pifidianana. Mampitandrina ny fianakaviambe iraisam-pirenena moa ny GTT Iraisam-pirenena mba tsy hamoaka fanampiana ara-bola ho an’izay fifidianana tsy hifanarahan’ny rehetra, indrindra fa ny solontenan’ny Pnud eto amintsika izay mikasa hanome 15 tapitrisa dolara.

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT