Politique

GTT Iraisam-pirenena Ampy izay ny resabe !


  • Alarobia 17 Aogositra 2011

Amin’ity anio ity no hanombohan’ny fihaonamben’ny SADC any Luanda renivohitr’i Angola. Anisan’ny hodinihan’ity vondrona mitarika ny fanelanelanana amin’ny famahana ny krizy eto amintsika ity ny raharaha Madagasikara.

 Manoloana izany indrindra àry dia nanoratra taratasy ho an’ny SADC sy ny vaomiera misahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana na ny CPS eo anivon’ny Vondrona Afrikana ny vondron’ny Malagasy tia tanindrazana na ny GTT Iraisam-pirenena ny amin’ny tokony hametrahana fepetra matotra mifandraika amin’ireo dingana amin’ny famahana ny krizy eto amintsika, araka izay tapaka tany Sandton sy Addis Abeba. Anisan’ny fangatahan’ny GTT Iraisam-pirenena àry ny tokony hampiasan’ny SADC sy ny Vondrona Afrikana ny fomba rehetra, eny na dia hiafara hatramin’ny fampiasan-kery aza, mba hanerena ny FAT hanaraka an-tsakany sy an-davany ny fehin-kevitra tapaka tany Sandton sy Addis Abeba io.

Ampy izay ny resabe, hoy ity vondrona ity satria efa 29 volana no niaritra ny mafy ny Malagasy, na halatra, na tsy fandriampahalemana, na fandrahonana, na famonjana na fahaverezan’asa sy ny maro hafa… Ankoatra izay dia takian’ny GTT Iraisam-pirenena koa ny fidiran’ny borigady misahana ny fitandroana ny filaminana eo anivon’ny SADC hiantoka ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fotoana hahatongavany eto an-tanindrazana.

Araka ny fanazavana dia efa misy andian’olona voaomana any ho any hanakorontana mba hilazana sy hanaporofoana amin’izao tontolo izao fa mitondra korontana tokoa ny fiverenan’i Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana. Mangataka amin’ny SADC koa ny GTT Iraisam-pirenena mba hanery ireo mpanongam-panjakana hamotsotra ireo gadra politika rehetra ary dia heverin’ity vondrona ity koa fa tokony harahin’asa ny fepetra noraisin’ny Parlemanta Eorôpeana, anisan’izany ohatra ny fanamafisana ny sazy isam-batan’olona ho an’ireo mpanongam-panjakana. Ambaran’ny GTT Iraisam-pirenena fa dia tandindomin-doza ny filaminana ara-tsosialy eto Madagasikara. Manoloana izany dia tsy tokony hitazam-potsiny ny fianakaviambe iraisam-pirenena, indrindra eo koa ny fihantsiana ataon’ny FAT amin’izy ireo. Ho an’ity GTT Iraisam-pirenena ity dia mazava ny resaka fa i Andry Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy no tena sakana amin’ny famahana ny krizy eto amintsika.  

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT