Politique

GTT International «Sori-dalana nokononkonon’i Frantsa iny»


  • Alarobia 21 Septambra 2011

Lavin’ny GTT International izay manana ny foibeny any Genčve ny sarintsarim-bahaolana naroso teny Ivato ny zoma lasa teo. Tsy ekeny koa ny tery vay manta nanasoniavana ilay sori-dalana izay nokononkononin’i Frantsa.

 Ambaran’ity vondrona ity fa tsy tenierana ny dingana narahina tamin’izany. Ankoatra izay dia toherin’ny GTT Iraisam-pirenena ny fanodinkodinan-kevitra nataon’ny teo anivon’ny Sekretaria mpanatanteraky ny SADC izay niteraka savorovoro amin’ny famahana ny krizy. Efa niaiky izany rahateo moa ingahy Salomao, ary narahiny taratasy fialan-tsiny, araka ny fanazavana. Tsy eken’ny GTT Iraisam-pirenena koa ny votoatin’ilay sori-dalana, indrindra manomboka eo amin’ny andininy voalohany ka hatramin’ny faha-7 izay manome ny fahefana rehetra ho an’i Andry Rajoelina, teo koa ny nandraisan’ireo antoko mpomba ny filohan’ny FAT izay manome alalana azy haka ny fahefana rehetra na eo amin’ny mpanatanteraka, na mpanao lalàna na koa ny eo anivon’ny fitsarana. Tsy hita taratra ilay fisaraham-pahefana izay fepetra ho an’ny tany demokratika.

Manoloana ireo rehetra ireo dia miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny GTT Iraisam-pirenena mba hitazona ny sazy noheverin’ny SADC sy ny Vondrona Eoropeanina raha toa ka tsy mbola tafapetraka ny tena tetezamita hitondra any amin’ny fifidianana malalaka sy mangarahara. Ao anatin’izany ny famotsorana tsy misy fepetra ireo gadra politika sy ny fampitsaharana avy hatrany ny fanenjehana sy ny sivana amin’ny fanehoan-kevitra. Ankoatra ireo, ny fiverenan’ireo sesitany politika sy ny fanesorana ireo fanenjehana azy ireo izay mety hiafara hatramin’ny fanakanana azy ireo tsy handray anjara amin’ny fifidianana. Ny fampiharana ny sori-dalana izay tenierana dia tokony hiarahan’ireo filohan’ireo Ankolafy 4 manao sonia. Ambonin’izany rehetra izany ny fanesorana ny fitaovam-piadiana eny am-pelatanan’ireo milisy izay mampihorohoro ny vahoaka. Araka izany rehetra izany dia tsy azon’ny GTT Iraisam-pirenena ekena ny saritsarim-bahaolana izay nosoniavina maimaika kanefa vahaolana maharitra no ilaina ivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy ka izany no nahatonga ity vondrona ity nandefa taratasy fampitandremana eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT